• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Chef Recettes
Image
DYI

Fomba fanamboarana ronono mandry mamy ao an-trano

20/03/2024 15:22 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra ilaina amin’ny andavanandro tokoa ny ronono mandry mamy. Maro no ampiasaina azy ireny. Anisan’izany ny fanomezana tsiro ny dite sy ny kafe, hanamboarana mofo mamy na ihany koa hinanan’ny ankizy vary sosoa rehefa maraina. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana izany ronono mandry mamy izany ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao ronono mandry mamy

-Ronono velona 500ml ;
-Siramamy 200g.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Arotsaka miaraka ao anaty vilany ny ronono velona sy ny siramamy. Tandremana tsara mba ronono tsy mitapoka no ampiasaina mba hampivoaka tsara ny fikarakarana. Ataingina ambony afo ary aroharoana tsy ankiato mandrapaha-levona tanteraka ny siramamy. Asiana sotro kely ao anatin’ilay vilany mba tsy handroatra be sy ho very ny fangaro.
Rehefa mangotraka voalohany ny ronono dia ampidinina atao malefadefaka ny afo. Tohizana hatrany ny fiaroharoana mandrapahazoana fangaro matevina. Maharitra ora iray ny fikarakarana. Tsy azo ajanona nefa ny fiaroharoana ny fangaro satria mety hiraikitra amin’ny vody vilany ary ho may izany.
Rehefa marihitra tsara dia vita ny ronono mandry mamy. Arotsaka avy hatrany anaty fitoerana mahazaka hafanana toy ny « bocal » ity farany fa tsy andrasana mangatsiaka. Avela mipetraka amin’ny toerana tsy mafana be nefa tsy mangatsiaka be ihany koa. Rehefa mangatsiaka dia tehirizina anaty vata fampangatsiahana.

Fanamarihana

Satria mitahiry siramamy amin’ny tahany ambony tokoa ny ronono mandry mamy dia mila ferana ny fihinanana izany. Mila arahana maso tsara ny ankizy satria mankarary nify ny fihinanana azy io be loatra. Ho an’ny rehetra dia mila ferana ny fampiasana azy io satria mety mampisy diabeta ny zava-mamy matetika sy diso tafahoatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo