• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Freepik.Jpg
Image
Tantara

Moov Confidences : Mafana tratra ve ? 25 taona, maty vady in-telo !

25/09/2023 15:02 © Moov.Mg

Mafana tratra : io no iantsoana ny vehivavy maty vady (na olon-tiana) foana. Izany tokoa ve aho ? Indroa aho no namoy ny fofom-badiko, ary vao tsy ela akory no namoy ny vady andefimandriko.

Tsy ambinin-tokantrano

Toy ny nofinofy ny fiainako : tsy mampino ! Efa faly ery aho fa afa-doza ka nahazo vady ihany ... Indrisy nefa, tsy ampy herintaona no nanaovana ny mariazinay dia efa any ambany rangolahy ilay silam-panahiko. Izy roalahy teo aloha moa dia vao nahavita ny dingana "fisehoana" dia efa samy tsy namana avokoa. Ny nahalasanan'ireo olon-tiako ? Lozam-pifamoivozana avokoa.
Malaza be eto an-tananay ankehitriny hoe "iza indray no sahy hiditra" amiko ... Toa ny mandratra izany, nefa rariny ihany raha tena mampitandrina izay tovolahy mbola mijerijery ahy ny manodidina. Malaza ho mpanompo sampy tsy mifaditrovana izahay mianakavy. Porofo mitohaka amin'ny tenda moa ny loza nahafaty ny vadiko : nandona omby tamin'ny kodiaran-droa. Amin'ny Malagasy mantsy, raha vao maty miaraka amin'ny omby dia efa midika sorona izay. Tsy diso aloha ny filazan'ny olona satria nanao irony karazana "pacte" irony ny ray aman-dreniko.
Mpanakarembe higagana izahay, tsy ory na inona na inona. Saingy ny tambiny ? Tsy hahavanona tokantrano mandrakizay aho. Efa mba nanontany an'i dada ihany aho saingy tsy nanan-kavaly firy izy. I neny moa isaky ny lasana ny olon-tiako dia zara raha hita any amin'ilay fahoriana : Tsy taitra akory izy, sady tsy mitomany no tsy malahelo satria "fandresena" ho azy ny rà latsaka. Ny tena mampalahelo ahy dia toa tsy maintsy manara-dia ireo ray aman-dreniko aho ( na mivantana na ankolaka) na dia lasa halan'ny havana sy ny fiaraha-monina aza.

Tsy afa-bela

Be mistery tokoa eto Madagasikara : Eto Antananarivo izahay, fa tsy any ambanivolo na any amin'ny faritra akory. Tsy azo lavina (na dia afenina mafy sy iniana tsy resahina firy aza) fa misy tokoa ireo miankina amin'ny herin'ny maizina hahazoana harena : ny olombelona jamban'ny vola. Olona somary sahirana ny ray aman-dreniko fahiny, nefa mbola nambakain'olona ihany. Teo hono no nanapahan'izy ireo hevitra fa tsy hanaiky lembenana intsony. Nisy moa ny fifanarahana natao, toy ny fanasinana sy ny fanaovana sorona. Araka ny reko, nanan-joky aho, zaza voalohany, saingy nataon'ireo ray aman-dreniko sorona izy. Araka ny efa voalazako, tsy dia mamaly fanontanina firy i dada sy neny. Izay tadiaviko kosa dia azoko avokoa, na vola na fitaovana na fialan-tsasatra. Tsy mahasambatra ny vola, ny harena, ny tranobe, ny finday avolenta, ny sakafo matsiro, ... Ory loatra ny fanahiko mahalala fa tsy hanana hoavy mamiratra mihitsy aho, indrindra moa eo amin'ny sehatry ny fitiavana ... Sady mbola hivaly amiko ny rà rehetra nalatsak'ireo ray aman-dreniko ....
Eto ary aho, lasa saina, inona no ataoko hialana tanteraka amin'ny herin'ny maizina izay mangeja ny ray aman-dreniko, mety hamoizako ny aiko sy ny ain-janako ? Efa tena mivavaka tokoa aho, saingy mbola miankina amin'ny ray aman-dreniko noho izao mamelona irery ny zanako kely. Ny rafozako rahateo tsy te hahita ahy intsony noho ny tantara rehetra efa fantatr'izy ireo avokoa. "Tsy namelanareo mianakavy raha tsy nesorinareo ny ain-janakay", hoy izy tamin'izaho nandao ny fonenanay telo mianaka kely, satria nahatsiaro ho mangina loatra izahay mianaka. Tsoriko nefa fa tena tiako ny vadiko, na dia tsy nahay niaro azy aza aho. Rehefa tena nandinika aho dia tsy tian'ilay sampy avokoa izay rehetra mety haharitra sy tsy azo ravana, toy ny fitiavana marina ...

Tsy mahavita tena

Koa satria zanaka mpanakarena ny tena sady nanambady aloha (tsorina fa variana tamin'ny lehilahy, sady nisy ireo fahoriana nifanesy), tsy nanam-potoana firy niasana tanaty orinasa aho. Manana mari-pahaizana "licence" aho saingy mbola tsy manana traikefa mihitsy. Hatrizay koa dia ny varotra isan-karazany ataon'i dada sy neny no tena nilofosana.
Indraindray aho misaina ny handositra, hiala lavitra ny harena maloto sy ny gejan'ny ratsy ? Saingy ho vitako ve ? Te mba hitaiza ny zanako amin'ny fahamarinana aho ... Handeha amin'ny fahatsorana ary hiafy sy hitady raha mila harena ... Fahotako ve raha mitondra izay ananako aho mba hivelomanay mianaka kely mandra-pahita asa ? Sa hivadika amiko i dada sy neny raha miala amin'izy ireo aho ? Tsy afeniko fa vitan'izy ireo tsara ny hifofo ny aiko raha sanatria fantany izao fikasako izao ... Mba naka hevitra tamin'i Pasitera aho saingy tsy hitany izay navaly satria toy ny zaza maditra ny fiheverany ahy : mpanompo tena mpandray anjara mavitrika ao am-piangonana izy mivady.
Tsy hitako hatreto izay vahaolana amin'ny fiainako. Mafy loatra izao sedra mafy lalovako izao. Hoy aho anakampo hoe rehefa maty angamba i dada sy neny vao mety hilamina aho ... Mba tsy ho tsiniko anie izany ...

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo