• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny fihinanana « fer » rehefa bevohoka

29/02/2024 10:56 © Moov.Mg

Anisan’ny zavatra mampiferotr’aina ny bevohoka matetika ny fihinana « fer ». Maro ireo maloiloy sy mandoa mihintsy ary rehefa mihinana azy ireny. Fa inona tokoa moa no antony hanomezana « fer » ny bevohoka ? Ahoana no ahafantarana fa tsy ampy « fer » izy ? Ahoana no atao hisorohana ny tsy fahampiana « fer » mandritra ny fitondrana vohoka ?

Inona moa izany « fer » ?

Ny « fer » dia otrikaina iray manan-danja amin’ny fiasan’ny vatana. Anisan’ny anjara asa lehibe iandraiketany ny fitondrana ny rivotra madio « oxygène » sy ny rà mankany amin’ireo taova sy sela mandrafitra ny vatana. Miasa amin’ny fanatsarana ny fisefoana ihany koa izy io. Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo ny filanan’ny vatana « fer ».

Inona no maha zava-dehibe ny « fer » rehefa bevohoka ?

Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo ny famokarana rà anatin’ny vatan’ny vehivavy mba hanomezana « oxygène » ny zaza miforona ao am-bohoka. Maro etsy andaniny ny fiovana miseho eo amin’ny vatana ka mitarika arerahana. Lasa miasa mafy kokoa ny taova sasany. Ankoatra izay dia very rà betsaka ity farany mandritra ny fiterahana.
Noho ireo antony ireo dia mila mamokatra « globules rouges » betsaka kokoa ny vatan’ny bevohoka. Ny « fer » no manampy ny vatan’ny bevohoka miatrika ireo karazana fiovana amin’ny vatany ireo. Ilaina noho izany ny fihinanana « fer » omen’ny mpitsabo mba hisorohana ny tsy fahampiana « fer ». Tsy adinoina ihany koa ny mihinana ireo sakafo mitahiry ity karazana otrikaina ity.

Ahoana no ahafantarana fa tsy ampy « fer » ny vehivavy bevohoka ?

Raha tsy mihinana « fer » asain’ny mpitsabo hoaniny ny vehivavy bevohoka dia mety hitarika tsy fahampiana « fer » ao amin’ny vatany izany. Maro moa ny mety fisehon’izany tsy fahampiana « fer » izany :
-Reraka sady malemilemy ;
-Fanimpanina ;
-Sahirana na mijaly rehefa miaina ;
-Mihongotra ny vola ;
-Raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana izany tsy fahampiana « fer » eo amin’ny bevohoka izany dia mety hiteraka « anémie » na tsy fahampiana rà. Tsy azo atao tsirambina ny « anémie » satria mety :
-Mahafa-jaza ;
-Kely tsy ampy lanja ny zaza teraka ;
-« Infection maternelle » na aretina mahazo ilay reny.

Ireo sakafo betsaka « fer » tsara hoanina rehefa bevohoka

Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny tsy fahampiana « fer » mandritra ny fitondrana vohoka ny fihinanana ireo sakafo mitahiry izany otrikaina izany. Anisan’izany ny :
-Hena toy ny hen’omby, henan-kisoa, akoho sy ny taovan-kena ;
-Trondro sy ny hazan-dranomasina ;
-Legioma indrindra ny « épinards », soja, tsaramaso, « lentilles »…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo