• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Qare
Image
Sexualité & Mariage

Fantaro ny mikasika ny tsy fahatomombanan'ny fitsanganan'ny filahiana

08/11/2023 14:51 © Moov.Mg

Maro ny lehilahy tratry ny tsy fahatomombanan'ny fitsanganan'ny filahiana. Menatra ary tsy masahy miresaka mikasika izany olana izany ny ankamaroan’ireo lehilahy sendra izany. ‘Ndeha ary fantarina ireo tsara fantatra mikasika ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana.

Inona moa izany tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana izany ?

Maro ireo teny fiantsoana ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana. Anisan’izany ny hoe « impuissance » izay midika tsy fahafahana na tsy fananan’ny lehilahy hery entina manao firaisana. Fomba iray afaka hiantsoana izany ihany koa ny hoe « insuffisance érectile » na « tsy fahampian’ny fihenjanana ».
Ity farany moa dia entina mamaritra ny tsy fahafahan’ny lehilaly mitazona ny fihenjanan’ny filahiana ampy ho an’ny fiaraisana ara-nofo mahafa-po. Izany hoe tsy ampy ny fotoana fitsanganan’ny filahiana. Matetika dia ilay vehivavy miray aminy mihintsy no mahatsapa izany. Lazaina fa manana aretina amin’ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana ny lehilahy iray rehefa nahatsapa sy niaina izany olona izany nandritra ny telo volana.
Marihana moa fa olana mateti-pitranga izy io, indrindra amin’ny lehilahy lehibe. Araky ny antontan’isa navoakan’ireo mpikaroka mikasika ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana dia ny 1 amin'ny lehilahy 2 aorian'ny 50 taona ary 1 amin'ny lehilahy 3 aorian'ny 40 taona no mety ho tratr’izany. Matetika nefa maharitra 4 taona eo ho eo ny lehilahy voan’io aretina io vao sahy manantona mpitsabo.

Inona ny antony mahatonga io aretina io ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny lehilahy iray ho tratry ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana.
Ireo antony ara-tsaina toy :
-ny rarintsaina ;
-ny tebiteby ;
-ny fiasana saina be loatra.
Ireo olana ara-pahasalamana :
-fandidiana sy fahavoazan’ny tsokandamosina sy ny loha ;
-diabeta ;
-fisotroan-toaka ;
-fifohana sigara be loatra ;
-fahatsetseman’ny lalandrà ;
-tosidrà avo ;
-« radiothérapie » ;
-fikorontanan’ny « hormones » ;
-fihenan’ny «testostérone » vokatry ny fahanterana ;
-« Hypothyroïdie » ;
-« Hémochromatose ».

Inona no mety ho fiantraikan’izany aretina izany ?

Misy fiantraikany ara-tsaina eo amin’ilay marary ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana. Raha izany tokoa ny mitranga dia lasa
-mandà tsy hanao firaisana ara-nofo izy ;
-tsy manaiky na manamaivana ilay olana ;
-malahelo, kizitina, menatra ary tsy mahatsapa-tena ho toy ny olon-drehetra ;
-mihena ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona, lasa mitokatokana.

Ahoana ny fitsaboana ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana ?

Ny fanantonana mpitsabo no dingana atao voalohany amin’ny fitsaboana ny ny tsy fahatomombanan’ny fitsanganan’ny filahiana. Fantarina ny olana ara-tsaina na ara-pahasalamana mahatonga ilay aretina. Ankoatra izay dia mila mianatra mandamin-tsaina, miala sigara sy toaka ary manaraka fomba fiainana madio. Manampy betsaka ihany koa ny fifampiresahan’ny mpivady mba miaraka miatrika sy mifanohana amin’ny fitsaboana ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo