• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Ctgn_Ambohidratrimo
Image
Vaovao

Ambohimanarina : Trano fanafenana kisoa halatra

27/02/2023 11:01 © Midi Madagasikara

Ramatoa no tompon’ny trano ary ao an-tranony no fanafenana ny kisoa halatra.

Momba ny halatra indray dia ireo olona mpivarotra kisoa velona eny Ambohidratrimo no tena lasibatra. Mody mividy ireo olon-dratsy ary hafatratra ao anaty fiara ny kisoa. Velomina ny fiara ary mirifatra tsy mijanona intsony avy eo. Mihazohazo eo fotsiny sisa ireo mpivarotra izay matetika olona sahirana mba manantena ny hahazo tombony kely. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nahavita nampandre ny zandary ao Talatamaty ireo voasoloky. Nanomboka ny fikarohana ary teny Ambohimanarina no nivoaka avokoa ny marina rehetra. Olona efatra no voasambotra ary hita avokoa ireo biby fiompy. Dahalon’andrenivohitra no nanasokajian’ny zandary ireo olon-dratsy ireo. Raha oharina amin’ity tranga ity tokoa dia efa miakatra renivohitra koa izany ny dahalo. Mora varotana ny hena ary mety ho izay no nandrisika ireo nanatontosa ny asaratsiny. Na izany aza mahavariana ihany ny endrik’ilay halatra, satria eo amin’ny toerana ifaneraseran’ny olona marobe no nahavita nitsoaka miaraka amin’ny fiara miaraka amin’ireo biby velona marobe ary avy eo mizotra mankaty an-drenivohitra. Tsy mba nisy tahotra mihitsy ve? Na dia ny hoe ho tratra ao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana aza ka horaisim-potsiny? Na ny kisoa nangalariny aza angamba afaka mandalanjalanja kely noho ireto olon-dratsy ireto.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo