• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny_Mponina
Image
Vaovao

8 marsa 2023 - Andron’ny Vehivavy : Natomboka anio tetsy amin’ny HJRA ny fanamarihana

27/02/2023 16:46 © Moov.Mg

Natomboka anio tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny fanamarihana ny fanakalazana ny Andron’ny vehivavy. Haharitra andro maromaro araka izany ny fanamarihana ity fotoan-dehibe ity ho an’ny Madagasikara, fa tsy hijanona ho amin’ny tontoloandron’ny 8 marsa 2023 fotsiny ihany.

« Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan’ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy », io no lohahevitra nosafidin’ny ministeran’ny Mponina ho amin’ity taona 2023 ity.

Hetsika maro isan-karazany

Tontosa anio tetsy ami’ny HJRA ny fanombohana ofisialy ny fihaonam-be ny andron’ny vehivavy. Maro ireo hetsika ho karakaraina ho fanamarihana izany. Singanina manokana ao anatin’izany hetsika izany ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana mitety vohitra. Mandritra izany dia homena lanjany manokana ireo vehivavy, koa hirona bebe kokoa amin’ireo aretina mpahazo ny vehivavy ny fizahana.
Ho amin’ity indray mitoraka ity dia natomboka tamin’ny alàlan’ny rodobe ho an’ny fahasalamana ny andron’ny vehivavy, izay mifantoka amin'ny lohahevitra « sarobidy ny aiko ». Niainga anio tetsy amin’ny HJRA ary ity rodobe ity ka hitety ireo boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny ministry ny Mponina, Soalifara Princia, ny ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Zely Arivelo Randriamanantany, ny ministry ny Filaminam-bahoaka, Fanomezantsoa Randrianarison. Nanotrona izany fotoana fanombohana izany ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Amin’ity 8 marsa 2023 ity dia ho tontosaina eto Antananarivo ny ivon’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy. Izany dia atao eo ambanin’ny fiahian’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo