• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Halatra zaza varira : Nalaina an-keriny tany Vaingandrano, hita tany Ihosy

28/02/2023 11:29 © Midi Madagasikara

Miverina mirongatra indray ve ? Raha somary nangingina tokoa ity resaka halatra olona varira na « albinos » ity, tao ho ao dia nahitàna tranga iray tany amin’iny distrik’i Vangaindrano iny.

Ny voalohandohan’ny volana teo mantsy dia nitranga fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana, ary lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny zanaky ny tompon-trano. Rehefa nandeha ny fitadiavana dia hita soa aman-tsara, aman-jatony kilaometatra miala ny tanany ilay zaza, tao amin’ny fokontany Andiabe, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ihosy. Nokasain’ireo tsy mataho-tody hamidy amin’ny terantany vahiny, hoe, raha ny angom-baovao azo.

Ny herinandro teo no nisy nahatsikaritra tao amin’ity tanana iray ity, ny zazakely iray : zazavavy tokony ho folo taona tany ho any ary sokajiana ho isan’ireo olona antsoina hoe « albinos ». Somary nampiahiahy ihany ny zava-nisy sy ny fihetsik’ilay zaza ka niantso tompon’andraikitry ny filaminana avy hatrany ireo nahita. Vantany vao nahazo vaovao ihany koa moa ireto farany dia nidina tany an-toerana. Fantatra tamin’izay fotoana fa zaza nalaina an-keriny ity farany ary tazomina tao amin’io tanana io. Olona dimy tao amin’ity trano io no nosamborina avy hatrany, ary nisy olona efatra voarohirohy tamin’ity raharaha ity nosamborina taty aoriana. Raha ny vaovao azo hatrany dia zaza nalain’izy ireo an-keriny tany Vangaindrano ity zaza ity nokasaina hamidy tamina terantany vahiny iray.

« Tsy nisy notikihana ny taovany taorian’ny fitiliana ilay zaza, hoy ny fampitam-baovao avy ao amin’ny pejy ofisialin’ireo olona varira eto Madagasikara, saingy kosa ny ampahan’ny ràny no notrohan’ireo tsy mataho-tody » Na izany aza tsy misy ahiana ny fahasalaman’ilay zaza, raha ny vaovao azo hatrany. Mbola mandeha moa any an-toerana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Indrindra fa ny fikarohana ilay olona voalaza fa saika hividy azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo