• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Ministère De La Pêche
Image
Vaovao

Jono : Misokatra androany 28 febroary ny taom-panjonoana makamba 2023

28/02/2023 16:11 © Moov.Mg

Nisokatra androany tamin'ny 5 ora maraina ny taom-panjonoana makamba 2023 manerana an'i Madagasikara. Tao Mahajanga, Faritra Boeny, no nanamarihana izany.

Nisy ny fitsidihana ireo sambo lehibe mpisehatra amin'ny fanjonoana makambo. Nijery ary nanao ny fitsirihana ireo tale sy tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy eo anivon'ny ministeran'ny jono. Anisan'ny dingana lehibe tamin'izany ny fitsirihana amin'ny alalan'ny fijerena ireo antota-taratasy manaporofo ny fahazoan-dalana hitrandraka ary manaraka ny lalàna ny sambo iray , eo koa ny balise hafatarana ny toerana misy ilay sambo ahafahana manara-maso ary farany ny fijerena fa manaraka ny lalàna ireo fitaovana entina manjono.
Ny Autorité sanitaire halieutique (ASH) ihany koa dia manana andraikitra lehibe amin'izany toy ny fijerena ny kalitaon'ny vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo