• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Rivodoza Freddy : Nanolo-tanana ho an'ireo traboina tao Nosy Varika ny fitondram-panjakana

28/02/2023 20:22 © Moov.Mg

Nanolotra vary 1 gony isan-tokantrano, menaka, sira, voamaina ary kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an'ireo traboina tao Nosy Varika ny fanjakana Malagasy, tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Vatsy ho an'ny mponina

Ankoatra ny fanomezana sakafo sy kojakoja ilaina amin'ny andavanandro dia misy ihany koa ny vatsin'Ankohonana. Efa tonga ao an-toerana moa ny karine misy QR Code hahafahana mandrindra sy manara-maso ny fisitrahan'ny tokantrano ireo fanampiana ireo.
Tahaka ireo distrika hafa dia hahazo masomboly sy fitaovam-pambolena ireo tantsaha ao an-toerana mba hahafahan’izy ireo manarina ny fambolena izay ravan’ny rivo-doza. Ho tonga ao an-toerana ihany koa ny "caravane medicale" izay miaraka amin’ny mpitsabo maromaro sy fitaovam-pitsaboana, ka hanolotra fitsaboana, fizahana ara-pahasalamana sy fanafody maimaimpoana ho an’ireo vahoaka sahirana vokatry ny fandalovan’ireo rivo-doza nifanesy tao Nosy Varika.

Fitaovam-pitaterana ho an'ny olom-boafidy

Notolorana motos ihany koa ireo ben'ny tanàna rehetra ao amin’ny distrikan'i Nosy Varika mba hahafanany manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo. Eo amin’ny lafiny fahasalamana kosa dia nahazo ambulance 4x4 vaovao efa misy fitaovana ny kaominina ambonivohitr’i Nosy Varika.

Nanambara ny Filoham-pirenena fa tsy maintsy harenina avokoa ireo fotodrafitrasa rava noho ny fandalovan’ny rivo-doza. Na dia ao anatin’ny fahasahiranana mafy tokoa aza dia faly ary nankasitraka ny Filoha Andry Rajoelina ny vahoakan’ny Nosy Varika tamin’ny fandalovany tao an-toerana, izy izay Filoham-pirenena am-perinasa voalohany nitsidika an’ity distrika ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo