• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambolokandrina Ravitoto : Bandy roa lahy mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

01/03/2023 09:20 © Midi Madagasikara

Zatra ny lalan-dririnina angamba izy roa lahy ireto… Efa nataon’ireo fokonolona tsara ambina anefa ka tsy afaka nankaiza intsony na dia niezaka nitsoaka aza.

Mpamaky trano roa lahy tokoa mantsy no tra-tehaky ny mponina teny amin’iny faritra Ambolokandrina Ravitoto iny, omaly maraina. Efa saika ny ain’izy ireo no nanefa, noho ny hatezeran’ny mponina, raha tsy tonga haingana ireo mpitandro filaminana, niezaka nandamina azy ireo ary nitondra ireto olon-dratsy ireto.

Tao ho ao tokoa dia niha-nirongatra ary nampikaikaika ny mponina teny amin’iny faritra Ambolokandrina, Antsobolo, Ambatomaro iny ny resaka vaky trano sy ny hala-botry isan-karazany. Amin’ny alina no tena hanaovan’izy ireo izany, indrindra fa raha sendra misy delestazy na ilay oram-be mikija iny. Saika mitovitovy avokoa ny tetik’adin’ireo olon-dratsy, izay azo heverina fa mety ho tambajotra na ekipa iray ihany no nampitondra faisana ireo faritra ireo.

Na dia eo tokoa aza, ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana misahana ireo faritra ireo dia hain’ireto tontakely ireto hatrany ny miala izany ahafahany manao ny asa ratsiny. Izay toe-javatra izay no nampiray hina ireo mponina, hamandrihana sy hisamborana ireto mpamaky trano ireto. Omaly vao mangiran-dratsy araka izany, roa lahy nampiahiahy no nihazo iny lalan’i Rocade iny, rehefa nivoaka teo amin’ny fiantsonan’ny Ravitoto. Vao nahita ireo mponina nanara-maso azy ireo, nilanja gony feno entana izy ireo dia rafitra nitsoaka. Nampanenoina avy hatrany ny kiririoka ary raikitra ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra ry zalahy ireto dia voasambotry ny fokonolona. Ary rehefa nosavaina ireo entana dia nahitàna fitaovana sy kojakojan-dakozia isan-karazany, izay azo heverina fa vao avy nangalarin’izy ireo. Romotra tamin’izay toe-javatra izay moa ireo fokonolona ka avy hatrany nidaroka ireto mpangalatra tra-maraina ireto. Efa saika ny ain’izy ireo no nanefa, hoy ny filazan’ny pôlisy, raha tsy tonga haingana ireto farany, izay nampandrenesina tamin’ny fisian’ny tranga. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany dia anisan’ireo tompon’antoka tamin’ireo vaky trano isan-karazany teny an-toerana ry zareo ary efa mpanao izany rahateo. Marihina fa any Anosibe sy By pass ry zalahy no monina, ary izao tonga manao ny asa ratsiny any Antsobolo sy Ambolokandrina izao. Nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria avy hatrany moa izy ireo ary nanokafana fanadihadiana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo