• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Météo_Express
Image
Vaovao

Météo : Ho avy foana ny orana hatramin'ny herinandro

01/03/2023 17:01 © Moov.Mg

Araka ny fampahalalam-baovao nataon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro anio tolakandro dia fantatra fa ho betsaka ny rotsakorana ato anatin’ny telo andro ho avy.

Mahazo vahana ny tsoka avy any Avaratra sy ny rivotra entin’ny sisan’ilay rivodoza Freddy

Raha ny marimarina kokoa dia mahazo vahana tanteraka ny tsoka avy any Avaratra koa izany no anisany mitarika izany fahabetsahan’ny rotsakorana izany. Tombanana hikisaka manatona ny morotsiraka Atsimo Andrefan’ny Nosy ihany koa ny ivon’ilay sisan-drahona miaraka amin’i Freddy. Izany dia hitondra rotsakorana betsaka amin’ny ilany Atsimon’ny Nosy ka hihitatra hatrany amin’ny atitanin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny morotsiraka.
Vokatry ny fisian’io rivotra avy any Avaratra io hatrany dia fantatra fa miverina mahazo vahana tanteraka ny orambaratra amin’iny tapany Avaratra Andrefan’ny Nosy iny. Mety hahatratra 80 mm ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora amin’ny faritra sasany, hoy hatrany ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Fampitandremana filazana fahabetsahan’ny rotsakorana

Mampahafantatra ny foibe famantarana ny toetry ny andro, noho izany, fa manankery manomboka rahampitso 02 marsa hatramin’ny 06 marsa ho avy izao ity fampitandremana filazana fahabetsahan’ny rotsakorana ity.
Filazana loko mavo ho an’ny : faritra Atsimo Andrefana
Filazana loko maitso ho an’ny distrika : Boeny, Ihorombe, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, ny distrikan’i Besalampy, Maintirano, Antsalova, Morafenobe, Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Analalava, Antsohihy, Port-Berger.
Miantso ireo mponina mipetraka ami’nny toerana marefo sy mora tondraka noho izany ny eo anivon’ny famantarana ny toetry ny andro, mba hitandrina sy hanaraka tsy tapaka ny toromarika izay omen’ny manam-pahefana eny ifotony. Manampy amin’ny fisorohana ny loza mety hiseho izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo