• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Wikipedia
Image
Vaovao

Ambatondrazaka sy Amparafaravola : Tsy azo atao ny fifamezivezena amin’ny alina manomboka anio 01 marsa

01/03/2023 17:07 © Moov.Mg

Nivoaka ny didim-pitondrana izay mandrara ny fivezivezena amin’ny alina manomboka anio 01 marsa ho an’ny distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola.

Tsy fandrim-pahalemana

Manomboka izao dia tsy tokony hisy olona mifamezivezy intsony eny an-dàlana eo anelanelan’ny amin’ny 09 ora alina sy amin’ny 03 ora maraina, ary tsy mbola voafaritra ny fetr’andron’izany hatreto. Noraisina izany didim-pitondrana izany mba hiadiana amin’ny tsy fandrim-pahalemana any amin’ireo toerana ireo. Tsapa tokoa fa nanomboka nahazo vahana indray tato ato ny trangana fankana an-keriny. Ny zoma lasa teo dia olona telo, izay tsy inona fa mpianakavy ihany, no nisy naka an-keriny sy ny natao takalon’aina tao amin’ny kaominina Morarano Chroma.

Sazy

Nanapa-kevitra ary ireo tompon’andraikitra eny an-toerana sy ireo avy aty andrenivohitra mba handray fanapahan-kevitra entitra hiadiana amin’ny tsy fandrim-pahalemana. Izany indrindra no nametrahana izao didy izao. Ireo rehetra izay minia tsy manaraka izany dia tsy maintsy saziana araka ny lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny firenenana ka tompon’andraiktira ka tompon’andraikitra amin’ny fampiharana azy ireo manam-pahefana rehetra tandrify izany. Entanina araka izany ireo mponina any amin’ireo distrika roa ireo mba hanaraka antsakany sy andavany izao didy izao mba hitandroana ny fandrim-pahalemana any amin’iny faritra iny hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo