• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fahantrana : Manodidina ny 10 000 ireo zaza miasa eny amin’ny fitrandrahana Mica

04/05/2023 15:30 © Moov.Mg

Zaza analiny maro no fantatra fa miasa eny amin’ireny toeram-pitrandrahana eladrano ireny, na mica, manerana ny Nosy.

Araka ny fikarohana nataon’ny teo anivon’ny masoivoho Amerikana miasa eto Madagasikara dia ankizy tsy ampy taona manodidina ny 10 000 no mivelona amin’ny asa fitrandrahana eladrano ankehitriny. Manoloana izao tsy fanajana ny zon’ny zaza izao dia mirotsaka antsehatra ny governemanta Amerikana ary manome tànana an’ny Madagasikara.

Fahantrana lalina

Fahantrana lalina. Io no antony iray lehibe manosika ny ray aman-dreny handefa ny zazany hiasa. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ireo ray amandren’ireo ankizy mandeha miasa eny anivon’ireny toeram-pitrandrahana eladrano ireny. Tranga izay hita any amin’ny faritra sasan-tsany any atsimon’ny Nosy fa indrindra any amin’ny faritra Anosy. Ny 81% ny vahoaka malagasy tokoa dia mbola miaina amin’ny tetibola latsaky ny 8 600 ariary na 2,5 dolara isan’andro, raha ny tatitra nataon’ny banky iraisam-pirenenana ny taona 2022 no jerena.
Fantatra fa anisan’ireo « miaina anaty fahantrana lalina ireo mpamokatra eladrano eto Madagasikara, ary manampy trotraka izany ireo tsindry ara-toekarena nateraky ny valan’aretina COVID-19 », hoy hatrany ny eo anivon’ny masoivoho Amerikana. Etsy andaniny ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tafiakatra hatrany amin’ny 11,5% ny volana janoary lasa teo, araka ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI. Voatery hitady hevitra hamahana ny olana ara-bola izay mahazo azy noho izany ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny. Ary matatika dia tonga hatramin’ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy mihitsy ireto farany noho ny tsy fisiana.

Fanitsahana ny zon’ny ankizy

Zon’ny zaza ny mianatra, ny miala voly, ny misakafo, ny tsaboina, ny miana ny mahazaza. Zo fototra maro izay tsy isitrahan’ireo zaza analiny maro miasa eny amin’ny fitrandrahana eladrano ireo notanisaina ireo. Ao anatin’ny fanaovana ny asa fitrandrahana dia votery misitrika any anaty lavaka maka ny eladrano ny zazalahy. Ahiana ny ain’izy ireo mandritra izany satria « mety ho maty sempotra noho ny tsy fahampian’ny rivotra » izy ireo.
Ny anjara asan’ny zazavavy kosa dia ny mitatitra ireo eladrano ety ambony. Mandritra ny fanatanterahana ny asa dia misy amin’ireo ankizy vavy no iharan’ny fanararaotana ara-nofo ataon’ireo mpanangona eladrano, hoy hatrany ny masoivoho Amerikana. Ankoatra izay dia zaza maro no lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana noho ny vovoka eladrano. Miana ao anaty herisetra sy aretina noho izany ireo zaza manodidina ny 10 000 manao ity asa fitrandrahana ity.

Vahaolana

Manoloana ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny zaza dia napetraka ny tetikasa Madagascar Shines. Ity farany dia tsy inona fa fifanaraham-piaraha-miasa mitentina 4 500 000 dolara. Izay tohanan’ny Departemantam-panjakana Amerikana misahana ny asa na DOL sy ny fikambanana iraisam-pirenenana tsy miankina PACT. Ity farany dia miady amin’ny fampiasana zaza any amin’ireo toerana mitrandraka eladrano any amin’ny faritra Anosy any atsimon’ny Nosy.
Tanjona amin’izao tetikasa izao ny hanampiana ny fianakavian’ireo zaza mpitrandraka eladrano, koa zaza miisa 1 800 no hisitraka fampianarana. Ao ihany koa ny fanampiana ary fanomezana asa ny olon-dehibe miisa 2 200 mba ahafahan’izy ireo mivelona sy miantoka ny fiainan’ireo zanany araka ny tokony ho izy. Ankoatra izany dia hisy ny fanentanana ny rehetra mahakasika ny fitrandrahana eladrano. Hamafisina ny fahaiza-manao’ireo mpiasam-panjakana mba hahafahana mampihatra araka ny tokony ho izy ireo fepetra fiarovana ny zaza. Zava-dehibe ihany koa ny fametrahana ny fitsipipi-tondratena eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana eladrano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo