• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Gn Ambohidratrimo
Image
Vaovao

Talatamaty : Rongony 11,5 kilao tratehaka, olona dimy voasambotra

04/05/2023 16:34 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny asan’ny zandary amin’ny fanenjehana sy fanaovana haza-lambo ireo mpidoroka, mpivarotra ary mpamatsy zava-mahadomelina.

Maro ireo tanora sy zatovo ankehitriny no roboka amin’ny fidorohana, fitrohana ary fitsindromana zava-mahadomelina. Manoloana izany dia manamafy ny ady amin’ity trangam-piarahamonina izay manomboka mahazo vahana ity ny eny anivon’ny zandarimariam-pirenenana. Tamin’izany indrindra no nahatratrarana lehilahy dimy niaraka tamin’ny rongony 11,5 kg.

Fiaraha-miasa

Nidina ifotony nanatanteraka ny asany, anio, ny teo anivon’ny Poste Avancé Mandrosoa, brigade Talatamaty. Raha ny marimarina kokoa dia anio tamin’ny 6 ora maraina no efa tonga teny amin’ilay toerana voatondro tamin’ny fanaovana angom-baovao ny zandary. Tamin’ny 7 ora kosa no nanomboka ny asa fisavana ilay trano.
Nandritra izany dia nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny PA Mandrosoa, ny Brigade Talatamaty ary ny CRFDC na ny Centre de Reproduction et de Formation Canine. Tonga teny an-toerana araka izany ny alikan’ny CRFDC ary nanampy betsaka tamin’ny fisavana ka nahatratrarana ireo rongony 1014 fonosana izay milanja eo amin’ny 11,5 kilao eo.

Fisamborana

« Telo volana izay no nanatanterahanay ny hetsika izay miompana amin’ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina. Ity fidinana ifotony natao androany ity dia mbola tafiditra tanteraka ao anatin’izany ady izany. » hoy ny avy eo amin’ny kaompanian’ny zandarimaria Ambohidratrimo.
Nandritra izany asa izany ary dia tratra tao amin’ilay tokatrano voatondro tetsy ambony niaraka tamin’ireo fonosana rongony ny lehilahy dimy. “Ankoatra ireo olona dimy ireo dia nisy olona iray tafaporitsika ihany koa. Iray hafa nijanona teny ivelany ka niverina moramora rehefa nahita fa saron’ny zandary ny namany.”
Tamin’izany indrindra dia « tsikaritra fa olona efa voasambotra ary efa nidoboka amponja teny Antanimora vao tamin’ny volana febroary lasa teo ilay tafaporitsaka. Naseho an’ireo dimy efa voatazona ny sariny efa nanana tao anaty « fichier » koa nanamarina ireto farany fa naman’izy ireo ihany koa io. » hoy ny avy eo amin’ny CG Ambohidratrimo. Araka ny vaovao voaray dia mpamatsy rongony ireo olona roa tafaporitsaka ireo.
Trangam-piaraha-monina izay ilaina fandraisana andraikitra aingana ny fiankinan-dohan’ny tanora sy ny zatovo amin’ny zava-mahadomelina. Izany indrindra no mahatonga ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenenana tsy mikely soroka manao haza-lambo ireo minia manaparitaka io zava-mahadomelina io eto amin’ny tany sy ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo