• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Rado Ramaroson
Image
Vaovao

Mpampianatra vacataire : Mihato manomboka anio ny fampianarana

09/05/2023 14:27 © Moov.Mg

Araka ny fampahafantarana efa nataon’ireo mpampianatra « vacataires » eny anivon’ny Sekoly Ambony Politeknika eny Vontovorona dia hiato manomboka anio ny asa fampianarana izay iandraiketan’izy ireo.

Mitohy ny fitakiana

Mitsahatra manomboka anio ny fampianarana izay ataon’ireo mpampianatra vacataires eny ny Vontovorona. Hitohy mandritra ny fotoana tsy voafetra izany mandrapahazon’ireto farany valiny mahafapo mahakasika ny fitakian’izy ireo.
Na dia teo aza ny fampahafantarana izay nataon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, mahakasika ny fandraisana an-tànana ny momba ireo mpampianatra vacataires dia nanafy ireto farany fa mitohy ny fitakiana. « Fampanantenana fotsiny ihany aminay no nataon’ny ministera mpiahy. Izahay anefa dia mitaky valiny mahafapo ary tsy hitsahatra ny fitakiana raha tsy tonga eny ampelatanan’ny mpampianatra ny vola tambin-karaman’izy ireo », hoy i Miranto Rakotomanana, mpampianatra vacataire miasa eny Vontovorona.
Na dia izany aza dia nanamafy hatrany ity mpampianatra ity fa « Tsy mikatona sanatria ny Sekoly ambony eny Vontovorona.Ny mpampianatra vacataires no mitsahatra amin’ny fampianarana fa ny mpampianatra raikitra kosa manohy ny asany. »

Fitakiana ara-drariny

Raha tsiahivina dia fitakiana ny tambin-karama nanomboka ny taona 2018 # 2019 izao tanterahan’ireto mpampianatra ankehitriny ireto izao, izay tafiditra ao anatin’ny atao hoe fitakiana fohy ezaka. Ao ihany koa anefa ireo fitakiana lavitr’ezaka izay apetrak’ireo mpampianatra.
Tafiditra ao anatin’izany fitakiana lavitr’ezaka izany ny fangatahan’izy ireo ny handohavana ny tambin-karamany isaky ny enim-bolana, manaraka ny fampianarana mifototra amin’ny « système LMD ». Ankoatra izay dia takian’izy ireo ihany koa ny fangaraharan’ny « recrutement » na ny fandraisana mpampianatra raikitra. Raha i Vontovorona manokana tokoa no resahana dia manodidina ny 150 eo ho eo ny mpampianatra vacataires, raha latsaky ny 100 ny mpampianatra raikitra. Tsapa tokoa fa tsy ampy ny isan’ireo mpampiantra raikitra, ary izany no anisany antony mahatonga ireo mpampianatra vacataires mangataka ny handraisana azy ireo ho mpampianatra raikitra.

Fijerena ny sata mifehy ny « vacataire »

Ankoatra ireo fitakiana izay efa voalaza tetsy ambony dia miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ihany koa ireo mpampianatra amin’ny mba hijerena ny sata manokana mifehy azy ireo. « Mangataka izahay ny hijerena ny sata manokana mifehy ny vacataire. Marina fa niresaka momba ny fifanarahana arak’asa misy eo amin’ny Sekoly ambony sy ny mpampianatra ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony tao anatin’ny taratarasy fampahafantarana izany navoakany. Raha ho anay mpampianatra vacataire ety Vontovorona anefa dia mbola tsy nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa izahay. Ireo fanambarana ataonay mahakasika ny nahavitanay ny ora fiasana sy ny tetiandro efa mipetraka no hany ahafantarana fa vacataires izahay. » hoy hatrany i Miranto Rakotomanana.
Mangataka ny hijerena manokana ny momba azy ireo noho izany ireo mpampianatra vacataires. Izy ireo moa dia tsy iza fa ireo mpampianatra an-dàlam-pahazoana ny diplaoma doctorat sy ireo izay mampianatra efa nahazo ny diplaoma doctorat-ny, izay tsiahivina fa efa voakasiky ny lalàna.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo