• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © L'Express_De_Madagascar
Image
Vaovao

Toliara : Mpangalatra tariby an’ny Jirama tratra

09/05/2023 17:12 © Moov.Mg

Olona ahiana ho mpangalatra tariby an’ny Jirama no tratran’ny mpitandro ny filaminana tao Toliara.

Lehilahy hita teo ampanapahana ny tariby an’ny Jirama no nosamborina sy natao famotorana tao Toliara.

Asa fisafoana

Nandritra ny asa fisafoana izay nataony no nahatratraran’ny mpitandro ny filaminana lehilahy iray teo ampanapahana ny tariby an’ny Jirama tany Toliara. Ny 07 May lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nisehon’ny tranga raha ny tatitra nataon’ny Groupement Atsimo Andrefana. Raha nisafo ny fokontany Ampasikibo ao Toliara iny ny mpitandro ny filaminana dia nahatratra ity mpangalatra ity, izay teo ampanapahana ny tariby an’ny Jirama mihitsy. Tratra ambody omby ity farany noho izany ka noraisim-potsiny.
Mitohy hatrany tokoa ny asan’ireo mpitandro ny filaminana miasa ao andrenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, ary izao nahazoana vokatra tsara izao. Tanjona amin’ny hetsika toa izao moa ny hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Famotorana sy fitoriana

Rehefa tratra ity mpanao asa ratsy ity dia avy hatrany dia nosavaina. Hita teny aminy tamin’io fotoana io ny fitaovana toa ny famaky iray sy kitapo. Hita tao anatin’io kitapo io ihany koa tariby mirefy 10 metatra. Rehefa izany dia nentina avy hatrany teny amin’ny zana-tobim-paritrin’ny zandarimaria tao Toliara ity mpangalatra ity.
Natao ny famotorana ary tamin’izany no nanononany ny anaran’ny namany izay mpiray petsapetsa aminy. Taorian’ny fahazona izany angom-baovao izany dia avy hatrany dia nidina ifotony ny mpitandro ny filaminana. Tratra tao amin’ny trano fonenany ity mpiray tsikombakomba tamin’ilay mpangalatra ity ka nentina natao fanadihadiana ihany koa.
Taorian’ny tranga niseho dia niantso avy hatra ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Jirama ao Toliara ny mpitandro ny filaminana. Tamin’izany no nahafahana nanamarina fa tariby fampiasan’ny Jirama tokoa io tariby tratra io.
Ho atolotra ny fampanoavana ireo olon-dratsy ireo rehefa vita ny famotorana. Marihina fa efa nametraka fitoriana noho izao fangalarana izao ny eo anivon’ny « Patrimoire et logistique » an’ny Jirama ao Toliara. « Eny, anisany antony iray mahatonga ny fahatapahan-jiro ihany koa ny fangalarana sy ny fanimbana ny fitaovana mitondra herin’aratra. Matetika dia voatery tapahana ny herin’aratra amin’ny faritra iray izay ahitana fahasimbana, na fangalarana fitaovana mba hanarenana sy hanoloana ny fitaovana simba na very », hoy ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny Jirama.
Entanina ny tsirairay, noho izany, mba hitandro ny fitaovan’ny Jirama, ho fitsinjovana ny tombotsoa iombonana ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo