• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Fiahiahiana hena misy "formol" : Manomboka androany 10 may ny fitsirihana ifotony

10/05/2023 03:30 © Moov.Mg

Hidina eny an-tsena eto Antananarivo ireo mpanara-maso avy eto amin’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) manomboka androany Alarobia 10 Mey 2023 haka singa amin’ireo hena amidy eny amin’ny mpivarotra.

Nalaza tato ho ato ao amin'ny tambazotran-tserasera ny mikasika ny hena izay misy "formol". Nambaran'ireo nanatanteraka "publication" fa menamena hafahafa ny hena, tsy mety masaka sady misy tsiro hafahafa. Araka ny nifampiresahan'ireo mpampiasa ny tambazotra, misy tokoa ireo mpivaro-kena mampiasa singa simika itehirizana ny hena tsy ho simba na dia tsy ao anaty vata fampangatsiahana aza. Mety hitera-doza ho an'ny fahasalamana nefa izany raha tena voamarina tokoa.

Fepetra vonjimaika

Ho alefa avy hatrany hatao fitiliana any amin’ny laboratoaran’ny Rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Fepetra noraisina manolona ny filazana fa amidy eny an-tsena ny hena misy “formol”.
“Ny valin’ny fitiliana no ahafantarana raha misy formol ilay hena. Any amin’ny Zoma na Sabotsy any no hahazoana an’izany. Raha izay tokoa moa no mitranga dia tsy maintsy enjehina araka ny lalàna izay tompon’antoka tamin’izany satria fanapoizinana ny mpanjifa izany”, hoy ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto amin’ny MICC, Laurencia Razanadrakoto.

Ady amin'ny vaovao tsy marina

Manentana ny mpanjifa ny eo anivon’ny DPC raha misy ny trangan-javatra mampiahiahy mba hitoroka sy hanome vaovao ny tompon’andraikitra ahafahana mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany. Toy izay ihany koa ho an’ireo nahita ka nanely ny vaovao momba ny fisian’ny hena misy formol amidy eny an-tsena. Azo atao tsara ny mampahafantatra ny adiresy mazava nividianana hena mampiahiahy. Ampahatsiahivina fa fandikan-dalàna ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny fanakorontanana saim-bahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo