• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

63 taonan'ny fahaleovantena : Fankalazana iraisan'ny Malagasy tsivakivolo

26/06/2023 00:05 © Moov.Mg

Fotoam-pifaliana ho an'ny Malagasy rehetra ny 25 sy 26 jona, ahatsiarovana ny fahazoan'i Madagasikara. Ao anatin'ny fety tanteraka ny rehetra, na eo aza ny fahasahiranana amin'ny fiainana andavan'andro.

Antsam-piderana

Hipoka olona ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny tolakandron'ny alahady 25 Jona 2023. Izany no natao dia ankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-63 taonan'ny nahazoana fahaleovantena. Tsy adino ihany koa nefa ny fifonanana sy ny fangataham-pitahiana ho an'ny tanindrazana. Mpanakanto sy amboaram-peo matihanina maro no nanafana ny lanonana : Rija Rasolondraibe, Joseph d'Af, Jaws Band, Unity, sns.

Ankoatra ireo hira sy dihy niavaka, nisitraka afomanga teny an-toerana ireo nijery ny fampisehoana. Tonga nanotrona ny fotoana ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA mivady.


Copyright Image : © PRM

Niara-niombom-po teny Mahamasina ny praiminisitra mivady sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo Loholon'i Madagasikara izay notarihan'ny Filohan'ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA.


Copyright Image : © PRM

Afomanga sy arendrina

"Arendrina taratasy o, may may may" ... Tsy lefy laza io hira io na dia efa mirona amin'ireo kilalao mirehidrehitra vita sinoa aza ny maro. Mbola tazana teny rehetra teny ny arendrina taratasy vita Malagasy. Maro moa ireo ray aman-dreny no nisafidy ny sady hanjifa arendrina taratasy no hanolotra jirojiro miloko ho an'ireo zanany. Tsy azo lavina mantsy fa manintona kokoa ny ankizy ireo kilalao miloko marevaka sady manazava lalana. Na dia niezaka nividy ireo vokatra vita Malagasy aza ny tokantrano maro, tsikaritra fa maro ireo arendrina taratasy tsy lafo.
Ny harivan'ny 25 Jona, tsy vitsy ireo fianakaviana no namonjy toerana avo toy ny teny Andohalo sy Avaratr'Ambohitsaina. Nisafidy ny haka toerana tsara izy ireo mba ahitana afomanga, izay tsy misy afa-tsy indray mandeha isan-taona.


Copyright Image : © PRM

Matso lehibe

Ny 26 jona, tapak'andro maraina, no anatanterahana ny matso lehibe. Koa satria andro ahatsiarovana ny niandohan'ny Tafika Malagasy ihany koa ny fetim-pirenena, ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena no mpandray anjara fototra. Mpitandro ny filaminana, zandary sy miaramila aman'alina no manatanteraka izany matso izany.


Copyright Image : © Moov.mg

Tsy anavahana sarangan'olona ny fanatrehana ny lanonana. Marobe ireo fianakaviana manotrona matso eny Mahamasina. Ny ankamaroan'ny mpanotrona dia mitondra zaza sy ankizy. Misy kosa ireo manaraka mivantana ny lanonana amin'ny fahitalavitra sy amin'ny tambazotran-tserasera.
Ny filoham-pirenena, faratampon'ny filohalindahy, no mitarika ny lanonana. Misafo ny andian-tafika sy manotrona ny matso no anjarany amin'izany. Mandalo eo anoloany avokoa moa ireo mpandray anjara amin'ny matso rehetra. Manokatra ny matso ny "démonstration dynamique" ataon'ireo mpianatra eo anivon'ny sekoly miaramila ACMIL, SEMIPI ary ENSOA. Tsy adino ny filaharan'ireo mpitandro ny filaminana mitaingina kodiaran-droa.
Mampiavaka ny fankalazana amin'ity taona 2023 ity ny fampisehoana natolotry ny mpanao fanatanjahan-tena Tai Ji sy Taekwondo. Nisy ny fizarana ny sainam-pirenena ho an'ny besinimaro.


Copyright Image : © Moov.mg

Korana miavaka

Andro fety ny 26 jona. Mitohy hatramin'ny maty masoandro araka izany ny fiarahan'ny Malagasy mikorana. Mpanakanto fanta-daza maro no hanolotra seho eo amin'ny kianjaben'i Mahamasina mandritra ny "Podium National".


Copyright Image : © Sénat de Madagascar

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo