• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Manwë_Odyssey
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenenana ho an’ny Tatsambo : Hatsaraina ny tontolon’ny asa

26/06/2023 12:43 © Moov.Mg

Ny 25 Jona no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tatsambo.

Nanatanteraka lahateny ny teo anivon’ny MTM, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny sehatra an-dranomasina.

Ho fiadiana amin’ny fandotoana ny tontolo an-dranomasina

Niompana tamin’ny fanomezan-danja manokana ny ady amin’ny fandotoana ny tontolo an-dranomasina ny andron’ny omaly. Anisan’ireo nanaiky ny fifanrahana iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fandotoana ny tontolo iainana an-dranomasina izay hateraky ny sambo tokoa i Madagasikara. Raha tsiahivina dia tsy vao ela akory izay no nankalazana ny andro maneran-tanin’ny Ranomasina isika. Noresahana manokana tamin’izany ny fiarovana manokana ny tontolo an-dranomasina, ary mifandray sy mifampiankina amin’izany indrindra ny foto-kevitra hijoroan’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tatsambo.
Manana andraikitra lehibe amin’ny fisorohana ny loto sy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina tokoa ireo tantsabo koa izany. Na dia eo aza ireo sedra maro tsimaintsy hitadiavan’ire tatsambo vahaolana maika eny an-dranomasina dia tsimaintsy mikendry ny tsy hanimbana ny tontolo an-dranomasina hatrany izy ireo, « satria sarobidy sy iankinan’ny fiainana ary ny fahasalamana eo anivon’izao tontolo izao izany. Mankasitraka sy mankatelina ireo ezaka ataon’ireo mpiasa an-dranomasina isan’andro izahay », hoy i Valéry Ramonjavelo, tompon'andraikitra eo anivon'ny MTM.

Ho fiarovana ireo tatsambo

Mahasarika tanora malagasy maro ankehitriny ny asan-tsambo. Betsaka ireo mpanamory lakana madinika, na ireny antsoina hoe « Skipper », mamaly ny antso sy miditra amin’ny sehatra matiihanina fa ihany koa manamafy ny aro-loza. « Mitombo ny filana manam-boninahitra tatsambo, eo ihany koa ireo tolotr’asa tatsambo. » hoy hatrany ity tompon’andraikitra eo avinon’ny MTM. Etsy andaniny dia miandahy miambavy ny malagasy miasa anatin’ny sehatry ny ranomasina. Ary anisan’ireo firenena manome vahana ny vehivavy hisehatra amin’ny ranomasina i Madagasikara.
Mitady hevitra hitondrana vahaolana mahaomby sy maharitra ny ministeran’ny MTM ary ireo rantsa-mangaika toa ny Angence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF) sy ny Ecole nationale d’enseignement maritime (ENEM) any Mahajanga. « Manome antoka ho anareo mpiasan-dranomasina fa tsy mitsahatra manantanteraka ny anjara andraikiny amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa an-dranomasina ny fitondram-panjakana. » Ny 15 jona lasa teo, tao Genève ary dia niroso tamin’ny fankatoavana ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny fototry ny fifehezana momba ny lalànan’ny asa miisa efatra, i Madagasikara. Tafiditra tao anatin’izany fifanarahana izany ny « convention du travail maritime » na ny LMSC 2006.
Hitombo ny fahatokisan’ireo tompon-tsabo sy mpampitao sambo any ivelany amin’ny alàlan’ny fidirana amin’izao fifanarahana izao. Hihatsara ihany koa fiainan’ny tantsaha malagasy izay miasa eto an-toerana satria efa voatsinjo ao amin’ny projet du code de transport maritime.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo