• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Cpcs
Image
Vaovao

PIC : Fitaovana ho an’ireo mpisehatra ara-barotra

27/06/2023 16:53 © Moov.Mg

Ny Alakamisy 22 Jona lasa teo no notolorana ny mpikambana eo anivon’ny Komitim-pirenena momba ny fanamorana ny varotra na CNFE ny fitaovana PIC na ny Vavahadin-tserasera momba ny Varotra.

Ho fanamorana ny serasera ara-barotra

Fomba iray entina hanamorana ny serasera ara-barotra eo amin’ireo mpisehatra malagasy sy ny any ivelany ny Vavahadin-tserasera momba ny Varotra. Hita ao amin’ny alàlan’io fitaovana io ireo fombafomba maro samihafa hahafahana mivarotra sy mahita tsena any ivelany ho an’ireo mpandraharaha malagasy.
Azo atao ohatrany mamantatra ireo hevitra fombafoma rehetra tokony arahana raha hanondrana entana. Efa misy fanoroana mahakasika ny fanafarana entana ihany koa ao anatin’ity fitaovana ity. Ankoatra izay dia hita ao ihany koa ny lalàna mifehy ny fanarana entana sy ny fanondranana entana, ary ny vola mila aloha raha te hiroso amin’izany. Afaka jerena amin’ny alàlan’ny PIC ihany koa ireo sokajim-baovao hafa momba ny fifanakalozana, izay tena manampy ireo mpisehatra ara-barotra.

Ho fametrahana ny mangarahara

Manampy dia manampy tokoa amin’ny fametrahana ny mangarahara eo anivon’ny sehatra ara-barotra ny fisian’ny Vavahadin-tserasera momba ny Varotra. Raha tsiahivina dia anisan’ny tanjona voalohany napetraky ny Fikambanana eran-tany momba ny Varotra na ny OMC izany fangaraharana izany.
Noho izany, zava-dehibe tokoa, ho an’ity sehatra ity ny fametrahana fitaovana toa izao, mba hahafahan’ny besinimaro misitraka fahalalàna sy vaovao mitovy mahakasika ny varotra. Izany indrindra no nahatonga ny komitim-pirenena momba ny fanamorana ny varotra nanorina ny PIC.
Amin’ny alàlan’ity fitaovana ity ary dia afaka mitsidika ny rohy mankany amin’ireo vondrona iraisam-pirenenana ikambanan’i Madagasikara avokoa ireo mpisehatra. Aorian’ny fitsirihana farany izay ho atao dia hampafantarina ny besinimaro afaka andro vitsy ity PIC ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo