• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Mari-pankasitrahana ho an’ireo miaramila malagasy sy frantsay

27/06/2023 20:03 © Moov.Mg

Tanteraka tetsy amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, androany talata 27 Jona ny lanonana ara-miaramila izay nanolorana mari-pankasitrahana ireo miaramila malagasy sy frantsay.

Fanolorana mari-pankasitrahana

Mariky ny fiaraha-miasan’ny Tafika malagasy sy frantsay ny lanonana ara-miaramila androany. Eo anelanelan’ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy sy ny fetim-pirenena frantsay no hanatanterahana izany, isa-taona.
Tamin’ity androany ity dia manam-boninahitra miisa 7 avy eo anivon’ny Tafika malagasy no notolorana « Médaille de la Défense Française ». Ny roa tamin’izy ireo dia nomena ny « Echelon Or », raha toa ka nomena ny « Echelon Bronze » ny dimy ambiny. Ankoatra izay dia miaramila frantsay efatra ihany koa no notolorana ny fankasitrahana ara-miaramila ka nahazo ny « Médaille de la Défense Nationale » avy amin’ny Tafika malagasy.

Fanatsarana ny traikefa malagasy

Fomba iray hanamafisan’orina ny fifandraisana ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ity lanonana ara-miaramila izay fatao isa-taona ity. Tanjon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena amin’ny fiaraha-miasa toa izao ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny Tafika malagasy. Nisy tokoa mantsy ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta momba ny fomba fiasan’ny tafika malagasy eo ampanatanterahana ny iraka eny an-kianja. Ankoatra izay dia nomen-danja ihany koa ny fanatsarana ny paikady hiarovana ny vahoaka sy ireo teknika maro mifanaraka amin’izany.
Hita taratra nandritra ny lanonana ary ny fahavononan’ny roa tonta hanohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana. « Samy resy lahatra ny roa tonta fa tena mamaly ny filàna amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany fifanakalozana izany », hoy ny avy eo amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo