• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © X
Image
Vaovao

Eid Al Adha : Fanokanan-tena, fanompoana, fanaovana asa soa

28/06/2023 07:07 © Moov.Mg

« Fête du Sacrifice » na andron'ny fanokanan-tena na fanompoana ity andro anio ity. Famonoana ondry, fiaraha-misakafo sy fanaovana asa soa matetika no anamarihan'ireo mpino silamo izany.

Ho an'ireo mpino silamo, tsarovana manokana androany ny nahasahian'i Abrahama nanolotra ny zanany hatao fanatitra. Nankato an'i Allah moa izany mpanompo izany ka namindrany fo tamin'ny fotoana farany. Tsy maty ny zanany sady nahazo fitahiana manokana izy.
Anisan'ny modely amin'ny finoana silamo i Abrahama. Araka ny ohatra napetrany dia manokan-tena ireo mpino mba hankato ny baikon'i Allah, afahahana misitraka ny famindram-pony. Manantena izy ireo fa hahazo fitahiana manokana indrindra rehefa tapin-dalan-kaleha amin'ny fotoan-tsarotra.

Fankalazana iombonana

Koa satria tsy mitsaha-mitombo ireo mpino silamo manerana ny nosy, nandray fanapahan-kevitra ny governemanta Malagasy fa "andro tsy fiasana nefa andraisan-karama" ny tontolo androny Eid Al Adha, dia androany 28 jona 2023.
Ho an'ireo mpino silamo eto Antananarivo, etsy amin'ny Mosquée 67ha sy etsy Andohatapenaka no anatanterahana ny ivon'ny fankalazana. Tsy vitsy kosa nefa ireo mpino no misafidy hiaraka amin'ny fianakaviany sy hanasa ireo namany. Ny mpianakavy ihany mantsy no mamono ny ondry sy mikarakara izany. Tsy adino ny asa soa izay azon'ny tsirairay atao amin'ireo manodidina azy

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo