• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Tafika : Manamafy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

29/06/2023 16:30 © Moov.Mg

Tontosaina androany sy rahampitso ny fivorian’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny Tafika malagasy etsy amin’ny Cercle MESS Soanierana.

Mandray anjara amin’ny atrikasa ireo tompon’andraikitra ambony

Anisan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy nanatrika ny fotoana fanokafana androany ny ministry ny Fiarovam-pirenena, Josoa Rakotoarijaona. Haharitra roa andro izao fihaonanaizao, ary hifantoka tanteraka amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany. Hita teny an-toerana anio ihany koa ny Amiraly Randrianarisoa Marosoa, Sekretera maharitry ny Fiarovana sy ny Filaminana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Ity atrikasa izay haharitra roa andro ity dia hifantoka amin’ny fanaovana ny tatitra ankapoben’ny asa efa vita. Jerena manokana mandritra izany ihany ko any famaritana ireo drafitr’asa mbola hotontosaina manaraka. Mbola maro tokoa mantsy ireo tanjona sy fanamby hotratrarina mikasika ny fiarovana sy ny filaminana, araka ny velirano voalohany napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Atrikasa miompana amin’ny fantsarana ny fandriam-pahalemana

Ankoatra ny tatitra mahakasika ireo asa vita dia ho velabelarina mandritra io roa andro io hany koa ireo atrikasa marobe izay mbola ho tanterahana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana sy ny fanatsarana ny fanitsian-drafitra eo anivon’ny Tafika, ny faliny ara-pitantanana, ny AUGURE, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanajana ny tandro hasina sy ny fanamafisana orina ny fitsipi-pifehezana eo amin’ny tontolon’ny Tafika, ny firosoana amin’ny fikarakirana ny « e-poketra ». Ao ihany koa ny fanatanterahana ireo ezaka sy atrikasa mifanaraka amin’ny sora-bola natolotra ny ministera ary ny ady atao amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.
« Ho tohizana sy hamafisina hatrany ny ezaka atao hampanjakana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eny anivon’ny Fari-piarovana sy Filaminana. », hoy ny ministry ny Fandriam-pahalemana. Zava-dehibe ihany koa, hoy izy ny fanampiana ny vahoaka sy ny fifanomezan-tànana amin’izy ireo hahafahana manome taha miabo ny seha-pamokarana sy ny seha-pihariana, hampandrosoana ny Firenena anatin’ny filaminana sy ny fahatoniana tanteraka.
Mahakasika ny fifidianana kosa indray dia nanome toromaika hentitra ny ministra amin’ny mba tsy hironan’ireo tompon’andraikitra amoby isan-tsokajiny amin’ny fitaoman-dratsy metmy hisy eo anivon’ny Tafika. « Manamboninahitra tompon’andraikitra avokoa isika mpizaika, ka mahalala ny tokony hatao sy mahafantatra ny fanapahan-kevitra tokony horaisina isan’ambaratongany hampirindrana ny fiarahamonina. » hoy hatrany ny ministra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo