• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fonjan’Antanimora : Nohavaozina ny toerana natokana ho an'ireo tsy ampy taona

30/06/2023 17:13 © Moov.Mg

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy anio ny quartier des mineurs ao amin’ny Fonjan’Antanimora, izay vao nasiam-panavaozana.

Fiaraha-mientana

Notontosaina androany, 30 jona 2023, ny fanokanana ny « quartier des mineurs » ao amin’ny fonjan’Antanimora izay nohavaozina. Ny fanatanterahana izao tetikasa izao dia vokatry ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Fondation Axian sy ny fonjan’Antanimora.
Mpiara-miombon’antoka maro no niara-nisahala tamin’ny fanatanterahana izao asa fanatsarana ny quartier des mineurs izao. Anisan’izany ireo orinasa mifondrona ao amin’ny Groupe Axian. Tafiditra tao anatin’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Telma Madagascar, ny MVola, ny First Immo, Connecteo, Pulse, ary ny Sanko. Teo ihany ko aireo mpiara-miombon’antoka ivelan’ny Groupe Axian toa ny AGL, ny VitaFoam, ny « association Grandir Dignement », ny « association Bethlehem ».
Tanjon’ny Fondation Axian, sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny hanomezana toerana mendrika sy tsara hahafan’ireo ankizy voafonja miaina sy mitombo ao anatin’ny fanajana ny zon’izy ireo hatrany.


Copyright Image : © Moov.mg

139 ny ankizy voafonja mpisitraka

Ankizy voafonja miisa 139 no hisitraka ireo foto-drafitrasa izay notokanana anio. Fantatra ary fa efitrano fianarana miisa efatra ireo nasiam-panamboarana sy navaozina ireo. Zava-dehibe ho an’ny ho avin’ireto ankizy voafonja ireo tokoa ny fanohizan’izy ireo ny fianarany. Nandritra ny fanadinana ara-panjakana CEPE teo izao dia ankizy dimy tamin’ireo fito nihatrika fanadinana no afaka soa aman-tsara. Ao ihany koa ireo ankizy miisa 14 nianatra momba ny fanamboarana mofomamy na ny « patisserie » izay ho tolorana taratasy manamarina ny fahavitan’izy ireo izany fiofanana izany.
Teo ihany koa ny fametrahana kianja filalaovam-baolina hahafahan’ireo ankizy miala voly. Ankoatra izany dia nisy ny fanomezana kidoro miisa 61, bodofotsy miisa 130 ary akanjo sivy baoritra ho azy ireo. Vokatry ny firaha-miasa misy eo amin’ny fonja sy ny fikambanana Grandir Dignement ihany koa dia misitraka sakafo mafana iray isan’andro mandritra ny enina andro ao anatin'ny herinandro.
Fomba iray hampiroboroboana sy hiarovana ny zon’ny ankizy izao hetsika izay ataon’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny ireo. Antenaina hitondra vokatsoa ho amin’ny ho avin’ireo ankizy voafonja ary izao asa fanatsarana ny quartier mineurs izao.


Copyright Image : © Moov.mg

Alintsoa Ralitera
Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo