• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Anyah
Image
Vaovao

Antananarivo III : Nahazo tohana manokana ireo hanala BEPC 2023

01/07/2023 06:16 © Moov.Mg

Andro sisa no isaina dia ho avy ny fanadinam-panjakana faharoa amin'ity taona 2023 ity. Izany indrindra no ankaherezana sahady ireo mpiadina. Tsy vitan'izay ihany fa ilaina ihany koa ny tohana ara-pitaovana. Izany indrindra no notontosain'ny solombavambahoaka Anyah tao Antananarivo III.

Fankaherezana sy fitsofan-drano

Sady nahazo fanomezana no nahazo tso-drano ireo mpiadina amin'ny fanadinana BEPC rehetra eo anivon'ny Boriborintany fahatelo, eto Antananarivo Renivohitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ahafahana miatrika amim-pitoniana ny fanadinana.Miisa 357 ireo mpianatra nisitraka ny fanampiana, entina iomanana amin'ny fanadinana. Maro mantsy ireo ray aman-dreny no tafalatsaka anaty fahasahiranana ka manano sarotra matetika ny fitadiavana vola iatrehana ny fanadinan'ny ankizy. Namaranana ny fotoana moa ny torohevitra madinidinika mety hahatsara ny fanadinana. Tsy adinon-dramatoa depiote Anyah ny nanolotra tso-drano ho an'ireo mpiadina tsirairay.
Ho an’izay 5 voalohany isaky ny CEG dia ahazo fitaovam-pianarana maimaimpoana hiatrehana ny classe de seconde sy fanomezana hafa koa.

Fisorohana ny hala-tahaka

Entanina ireo ray aman-dreny rehetra samy hanohana ny zanany amin'ny famerenana. Azo lazaina mantsy fa rehefa matahotra sy tsy ampy fanomanana ny ankizy dia mety hanita-tsaina hangala-tahaka amin'ny fanadinana. Efa nandefa fampitandremana manokana nefa ny Ministeran'ny Fampianarana ho an'ireo izay mikasa hanao "fraude". Mbola manana andro vitsivitsy ireo mpiadina amin'ny BEPC hianarana ireo lesona mbola tsy hay tsara. Ho an'izay tratra mangala-tahaka mantsy dia tsy afaka hiatrika fanadinana ara-panjakana mandritra ny 5 taona.

Mirary soa sy fahombiazana ho an'ireo mpanala fanadinana rehetra !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo