• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny herinandron’ny 17 jolay 2023

24/07/2023 01:56 © Moov.Mg

Mafana hatrany ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Tsy vitsy ireo fanehoan-kevitra samihafa taorian'ny kabarin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny 16 jolay lasa teo. Nifantoka bebe kokoa tamin'ny resaka fanabeazana nefa ny sain'ny vahoaka malagasy, noho ny fikorontanana nitranga tamin'ny fanadinana Bakalorea sy ny fitokonan'ny Mpampianatra teny Ankatso. Tsy adino ihany koa nefa ireo vaovao samihafa ara-tsosialy, ara-panatanjahan-tena, ara-kolontsaina sy ara-pinoana teto amin'ny firenena.

Bakalorea : Fuite de sujet HG sy jiro tapaka

Anisan’ny vaovao nafana tamin’iny herinandro iny ny fisian’ny fuite de sujet tamin’ny taranja Tantara sy Jeografy. Raha tranga efa saika fahita ny fuite de sujet, dia nanaitra ny maro kosa anefa ny nampiandrasana ireo mpiadina nandritra ny ora maro. Voalaza fa ny fanatontana ny laza adina fahaor izay fatao fiandry no anton’izany fahatarana be izany.

Nisy ihany koa ny fahatapahan-jiro teny anivon’ireo foibem-panadinana sasany toa an’i Tanjombato. Vokany, voatery niatrika fanadinana tao anatin’ny haizana ireo mpiadina. Ny rai-amandrenin’ny mpianatra no nanao tsipaipaika hividianana labozy hahafahan’ireo mpiadina nanohy ny fanadinana. Taorian’izany fikorontanana izany dia nandray fanapahan-kevitra ny hamerenana ny taranja Tantara sy Jeografy ny tompon’andraikitra. Naoty roa araka izany no hananan’ireo mpianatra nazoto ny hamerina ny taranja, ary izay naoty tsara no raisina.
Tetsy andaniny dia nanameloka izay mety ho tompon’andraikitra tamin’iny tranga iny ny fitondram-panjakana.


Copyright Image : © Rantoarivony_Herina

Marc Ravalomanana, nitarika hetsika tao Lafrantsa

Mitohy hatrany ny "tournées" izay tanterahin'ireo mikasa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin'ity taona 2023 ity. Tamin'iny faran'ny herinandro iny dia nihazo an'i Eoropa i Marc Ravalomanana. Nisy moa ny hetsika niarahana tamin'ireo mpomba azy tao Saint Germain Les Arpajons, ny sabotsy 22 jolay.
Namelabelatra ny MAP PLUS ny filoha teo aloha sady kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Tamin'izany indrindra no nanambarany fa vonona izy hanarina an'i Madagasikara, izay tena latsaka an-kady tanteraka. Ireo programan'asany no ho ampihariny raha lany filoham-pirenena soa aman-tsara ny tenany. Mazava araka izany fa tsy mampihemotra ny filohan'ny antoko TIM ny fiakaran'ny "caution" na ireo fanakiviana isan-karazany eny amin'ny tambazotran-tserasera isan-karazany.


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Siteny Randrianasoloniako, tany Eoropa ihany koa

Nivahiny tany Eoropa ihany koa i Siteny Randrianasoloniaiko, kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nanotrona ny fetim-pirenena tao Belgique moa no tena anton-diany. Nitsidika ny Siège de l'Union Européenne tao Bruxelles ny tenany avy eo, ka tao indrindra no nanambarany fa tokony hametra-pialana ny governemanta ankehitriny. Araka ny heviny, manao tsirambina ny fikarakarana ny tanora sy manapotika ny hasin'ny fanabeazana ny mpitondra. Voaporofo izany tamin'ny fikorontanana tamin'ny fanadinana Baccalauréat.
Nanohy ny Mihava Tour International tao Marolles en Brie moa i Siteny Randrianasoloniaiko ny sabotsy 22 jolay lasa teo.


Copyright Image : © Siteny Randrianasoloniaiko

Lisi-pifidianana : Manodidina ny 2 tapitrisa ireo mpifidy tsy voasoratra anarana

Voafaritra ny 20 jolay lasa teo ny rejisi-pifidianana nasionaly rehefa vita ny fikirakirana ireo anarana miverimberina ny 18 sy ny 19 jolay teo anivon’ny foibe nasionaly. Mikatona ihany koa ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy araka izany.
Fantatra ary fa 11 043 836 ny isan’ireo mpifidy mandrafitra ny rejisitra. Nahitana fiakarany 293 902 isa ihany koa izany hoarina amin’ny fanavaozana isan-taona izay natao taloha.
Na dia eo aza izany fiakarana izany dia hita fa mbola tsy tratra ny tanjona izay napetraka. 11 043 836 no totalin’ny olona voasoratra anarana raha toa ka manodidina ny 13 500 000 isa no tanjona. Manodidina ny 2 tapitrisa, araka izany, ireo mpifidy tsy voasoratra anatin’ny lisitra.


Copyright Image : © CENI

Lalana eto Antananarivo, mandeha ny fanamboarana

Mitohy ary miitatra amin'ny faritra maro eto Antananarivo ny fanamboaran-dalana. Fanamboarana amin'ny ampahany moa no atao, izany hoe ireo faritra misy lavaka no tapenana. Tamin'iny herinandro lasa iny dia ny teo Ankorondrano no nanohizana ny fanamboarana. Azo lazaina fa mampitohana ny fifamoivozana ny asa, saingy mivaha izany olana izany rehefa mihatsara ny lalana. Maro no manontany tena hoe haharitra ihany ve ireo fotodrafitrasa ireo. Antenaina nefa fa mbola hisy tetikasa amin'ny fanamboarandalana maharitra.


Copyright Image : © Gouverneur Analamanga

Polisim-pirenena, nahazo Poste Vigie miisa 13

Manakaiky hatrany ny vahoaka ny Polisim-pirenena ao Toamasina satria miisa 13 ireo Vigie de Police notokanana hitoeran'ny Polisy eny anivon'ny fokontany. Izany no natao dia hoentina miaro sy manampy ireo olona eny amin'ny fiaraha-monina ary hametrahana ihany koa ny fandriampahalemana maharitra izay fanamby napetraky ny fitondram-panjakana. Ny fitaovana ( tonfa , torche , menotte, ... ) ampiasaina ao anatin'ny trano moa dia efa nomanin'ny Polisy hoentina miasa avy hatrany .


Copyright Image : © Polisim-pirenena Malagasy

Fiangonana Jesosy Mamonjy, nikorontana indray

Mbola tsy mety milamina ny eo anivon'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ny alahady 23 jolay, nilanja sora-baventy teny Ankorondrano, foiben'ny fiangonana, ireo mpino avy eny 67 ha sy ireo solotenam-paritra. Fanoherana ny jadona amin'ny fitantanana ny fianginana, ny fialokafolana ara-politika tsikaritry ny mpino (Solombavambahoaka no voatonona amin'izany), ny tsy fankatoavana ny birao mitantana ny fiangonana no anton'ny fitokonana raha ny fanazavana.


Copyright Image : © L'interview

Fandotoana tanàna, lehilahy 7 voasambotra

Nanintona ny sain'ny maro, indrindra ireo lehilahy, ny nisamborana olona 7 izay nipipi teny ankalamanjana. Nofaizin'ny zandarimaria Ambohidratrimo izy 7 mirahalahy izay nipipi tamin'ny toerana efa nisy takelaka fa tsy azo anaovana maloto. Nampitondraina "pancarte" izy ireo, mba ifonana amin'ny vahoakan'i Talatamaty.


Copyright Image : © Compagnie de Gendarmerie Ambohidratrimo

Andro iraisam-pirenena ho an’ny Kaoperativa : Manodidina 3508 izy ireo manerana ny Nosy

Nankalazaina ny 21 sy ny 22 Jolay lasa teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Kaoperativa, koa tany Miarinarivo Itasy no nanatontosana izany. Fantatra ary fa manodidina ny 3058 eo ny isan’ireo kaoperativa manerana ny Nosy. Seha-pihariana samihafa no hita ao anatin’izany toa ny fambolena, ny fiompiana, ny jono sy ny maro hafa koa.
Mitana toerana lehibe amin’ny fandrosoana ara-toekarena tokoa ny fisian’ny kaoperativa satria izy ireny dia manampy ireo tantsaha amin’ny fitadiavana tsena anaty sy ivelany. Ao ihany koa ny fahafahan’izy ireo miasa amin’ireo mpisehatra miankina sy tsy miankina isan-karazany.


Copyright Image : © MICC

Hira fanevan'ny Jeux des Iles, nasiana fanatsarana

Tsy vitsy ny kihana nandeha mikasika ny hira fanevan'ny lalaon'ny Nosy, izay ho tanterahina eto Madagasikara afaka herinandro vitsy. Ny sabotsy 2023, nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny "clip" na rakitsary. "Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana" moa no lohateny. Tsikaritra fa nasiana fanatsarana na ny firafitry ny hira na ny sary rehetra tao amin'izany rakitsary izany.


Copyright Image : © Andry Rajoelina

Oniversiten'Antananarivo, nitokona ny SECES

"Université Morte". Nangina tanteraka ny teny amin'ny anjerimanontolo ny alarobia hatramin'ny zoma lasa teo. Nanapa-kevitra mantsy ireo mpampianatra sy mpikaroka fa hampiato tanteraka ny fampianarana. Efa nanome "ultimatum" izy ireo saingy tsy nisy fandraisana andraikitra mihitsy. Ny alatsinainy 24 jolay, misy indray ny fivoriana handinihana izay mety ho tohin'ny fitakiana. Araka izany, raha mbola mitohy ny fitokonana, mety hisy fiantraikany indray amin'ireo mpianatra. Mbola tsy misy vahaolana maharitra hatreto ny fikarakarana ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Ny hoavin'ny Tanora Malagasy nefa no resaka, ka tokony hahasarotiny ny fitondram-panjakana sy handraisana fepetra tsy misy hatak'andro, toy ireny korontana tamin'ny bakalorea ireny.


Copyright Image : © Université d'Antananarivo

Jirama – Redressement : Kandidà tera-tany vahiny roa no voafantina

Ao anatin’ny fanarenana ny Jirama tanteraka ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo ankehitriny. Tafiditra ao anatin’ny fanatratrarana izany tanjona izany ny fametrahana tompon’andraikitra vaovao na “manager de redressement”. Nampahafantarin’ny ministra ny zoma lasa teo ary fa teratany vahiny roa ankehitriny no voatazona farany tamin’ny sivana, ary amin’ireto farany no hisafidianana.
Manoloana ny olan’ny famatsiana herinaratra kosa indray dia nanamafy ny ministra fa tsy ampy ny isan’ireo fiarabe mpitatitra solika mavesatra ilaina amin’ny fanodinana ireo milina mpamokatra herinaratra. Tanjona noho izany ny hampitomboana isa ireto farany mba hahatra 100 raha toa ka 70 izy ireo ankehitriny. Ilaina ihany koa ny fampitomboana solika izay ampiasaina amin’izao fotoanan’ny ririnina izao, noho ny tsy fahampianan’ny rano manodina.


Copyright Image : © MEH

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo