• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra : 30.590.000 € no tetibola natolotr'i Lafrantsa

24/07/2023 16:08 © Moov.Mg

Fifanarahana ara-bola miisa 3 no vita sonia androany Alatsinainy 24 Jolay 2023, teny amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) Antaninarenina. Ny 2 amin’ireo dia momba ny Tetikasa "Angovo", izay hiompana amin’ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Kaominina ambanivohitra sy Fokontany miisa 130 ahitana mponina 175.000 no hisitraka ny Tetikasa Angovo, ao amin’ny Faritra : Melaky, Menabe, Androy, Atsimo Andrefana, Anosy. Ny « Agence Française de Développement » (AFD) sy ny Vondrona Eoropeanina (UE) no miara-misalahy amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy ka : ny 22 tapitrisa Euros dia fampindramam-bola ary ny 8.590.000 Euros kosa dia fanampiana. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa ihany koa ny fanamafisana fahalalana sy fahaiza-manao ary ny fanampiana ara-teknika ho an’ny « Masoivoho Fampiroboroboana ny Herinaratra amin’ny tontolo Ambanivohitra » (ADER).

Nanao sonia ny fifanarahana ho an’ny Fitondram-panjakana Malagasy, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rtoa Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON, niaraka tamin’ny Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto amintsika, SEM Arnaud GUILLOIS, ny Tale Lefitry ny AFD Rtoa Valérie ALEXIS, ary ny Minisitra Lefitra misahana ny Fiompiana, eo anivon’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny Dr Raymond ary ny Lehiben'ny Fiaraha-miasa eo anivon'ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara. Nanotrona ny fanaovan-tsonia ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Nambarany fa izao dia fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, ary fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « Angovo ho an’ny daholobe ».
Ankoatra izay, dia nahazo fanohanana ihany koa amin’ny alalan’ny Tetikasa "Talakibe", ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), izay hatao ao amin’ny Faritra Anosy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo