• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Université D'Antananarivo
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Mikorontana na ny fitsarana bakalorea na ny fianarana eny Ankatso

25/07/2023 08:18 © Moov.Mg

Mbola mitodika any amin'ny sehatry ny fampianarana ambony ny ankamaroan'ny Malagasy nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo. Nifanontona mantsy ny fikorontanana noho ny "fuite de sujet" tamin'ny bakalorea manerana ny Nosy sy ny hetsika nataon'ny SECES sampana Antananarivo.

Fifamadihan'ny laza adina Bakalorea

Androany 25 jolay 2023 vao afaka atomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ho an'ireo sokajy teknika tamin'ny Bakalorea 2023. Omaly mantsy vao tsikaritr'ireo mpitsara fa tsy ny laza adina tena izy no natolotra ireo mpiadina. Fandaminana fotsiny araka izany no vita tamin'izany.
Miahiahy ny amin'ny tsy hampanan-kery ny diplaoma Bakalorea 2023 na ireo mpiadina na ireo ray aman-dreny. Maromaro mantsy ny tsy fahatomombanana tamin'ny fanadinana. Raha ny Histo-Géo ihany no nambara tamin'ny fomba ofisialy fa nisy "fuite de sujet", ireo sary miparitaka amin'ny tambazotran-tserasera kosa dia manaporofo fa ny ankabezan'ireo taranja dia voakasika avokoa.
Nanome toky ny fitondram-panjakana fa hijery manokana ny hanafaizana ireo tompon'andraikitra sy olon-tsotra mety nahatonga izany. Hatreto nefa, mbola azo lazaina fa tsy naharenensam-baovao mazava ny fisamborana sy fanamelohana ireo olona ireo.

Fampanginana ny Oniversiten'Antananarivo

Mbola mihato ny fampianarana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo amin'izao fotoana izao. Tsy nisy nivaly mantsy ireo fitakiana nataon'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo, na dia teo aza ny "Université morte" izay naharitra 3 andro be izao.
Miantso ny fitondram-panjakana ny SECES mba hanala ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny tsy mahavaha olana. Mangataka fametraham-pialan'ireo izay mahatsapa tena ihany koa ireo mpampianatra sy mpikaroka. Nambaran'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra fa toa iniana potehina ny fampianarana eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo