• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Université De Mahajanga
Image
Vaovao

Mahajanga - Fitsarana Bakalorea 2023 : Misy olana ihany koa hoan'ny sokajy Teknika

25/07/2023 08:33 © Moov.Mg

Mahajanga : Androany no manomboka ny fitsarana ny bakalorea 2023 tao amin'ny faritra Boeny. Misy fahatarana kosa nefa ny fandraisana ireo taratasim-panadinana sokajy teknika avy any Maintirano.

Efa tonga ao Mahajanga daholo ny taratasim-panadinana rehetra avy amin'ny toeram-panadinana rehetra tao amin'ny faritra Boeny. Ny avy any Maintirano irery ihany no mbola tsy tonga nohon'ny fisian'ny Bakalorea tekinika. Miisa 200 mahery nitsongaina avy tamin'ireo lisitra nalefan'ireo tompon'andraikitra volohan'ny amin'ny Lycée rehetra isa-paritra.
Omaly alatsinainy 24 jolay dia fandaminana no natao, toy ny teto Antananarivo ihany. Androany talata 25 jolay kosa vao tena manomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra. Miditra amin'ny 6 ora sy sasany maraina ary mirava amin'ny 6 ora hariva isan'andro ireo mpitsara, afa tsy ny Alahady ihany mandra-pahavitan'izany fitsarana izany.
Nampatsiahy ny Filoha lefitrin'ny Oniversite ny Mahajanga, Dr RAKOTOVELO Geoslin, fa ireo Mpitsara ny taratasim-panadinana rehetra ireo dia avy amin'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena arakin'ny lahatsoratra mifehy izany, fa ny andraikitrin'ny Oniversite dia mijanona amin'ny fikarakarana sy fampandehanana ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo