• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Compagnie De Gendarmerie Imerina Centrale
Image
Vaovao

Carion : Fitrandrahana ala tsy ara-dalana, olona telo nosamborin’ny zandary

25/07/2023 09:17 © Midi Madagasikara

Tsy afa-nihetsika intsony e ! Tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Carion, teo Morontsara ambany, teo amin’ny kaominina Nandihizana Carion, ny fiara iray, nitondra hazo kesika, mbola bolabola.

Ny loza tao anatin’ny faritr’ala arovana ry zalahy ireto no naka izany hazo izany ary mitrandraka tsy amin’ahiahy. Heloka bevava eo anatrehan’ny lalàna anefa izany. Nosamborina avy hatrany ireo tao anaty fiara, olona telo. Noho ny fifanakalozam-baovao tamin’ny olona tsara sitra-po, hoy ny vaovao azo no nahafahana nanakana ireto mpitrandraka ala tsy ara-dalàna ireto. Mpanapaka sy mpangalatra hazo kesika ao anatin’ny faritr’ala arovana Angavokely, ao amin’iny kaominina Nandihizana iny ihany. Bolabolan-kazo, mirefy eo amin’ny roa metatra eo, miisa dimy no tratra nandritry ny fisavàna ny fiara, nentin’izy ireo nanao trafika. Ary taorian’ny fisavàna ny trano, rehefa nahazo fahazoan-dalana dia mbola nahitàna bolabolan-kazo miisa telo hafa ireo tompon’andraikitra. Teo no ho eo ihany dia nogiazana ny fiara nentin’izy ireo sy nitaterana ireto hazo ireto ary nentina natao famotorana ireo olona telo nosamborina ary notanana natao andrimaso. Marihana moa fa hiarahan’ny zandary avy ao Carion, sy ireo mpikaroka fandikan-dalana eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

« Heloka bevava ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna anaty faritr’ala arovana. Mandray andraikitra feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Vondro-tobim-paritra Imerina Centrale, ka tafiditra indrindra amn’izany fiaraha-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony ho fampiharana ny « Dinan’ny tontolo iainana » ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana sy Anjozorobe, ho fiarovana ny faritr’ala Complexe Anjozorobe – Angavo » araka ny fanazavana azo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo