• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Resaka politika avo lenta : Miady an-trano ny IRD sy ny TGV

26/07/2023 05:17 © Midi Madagasikara

Tsy tako-nafenina intsony fa vaky ny ady eo amin’ny samy mpanoahana ny fitondrana eto Toamasina, dia ny IRD sy ny TGV izany.

Eny amin’ny haino aman-jery sy ny tamban-jotran-tserasera no anaovan’izy ireo izany ady izany, ka mpanolotsaina roa mianadahy mpikambana eo anivon’ny filankevitra kaominaly eto Toamasina sy mpanolotsaina minisitra andaniny; raha ny ben’ny Tanana sy ny ekipany vitsivitsy ankilany. Nisy mantsy famoahan’izy telo mianadahy andaniny ireo tamin’ny haino aman-jery sy tamban-jotran-tserasera ny voalazan’izy ireo ny halatra sy fanodikodinam-bola ary kolikoly eo anivon’ny kaominin’i Toamasina; manginy fotsiny ny filazana fa mpijapy lamasinina ireto mpitantana ny kaominin’I Toamasina. Tao anatin’izany anefa dia nahatsiaro afabaraka sy menatra ny ekipan’ny ben’ny Tanana, ka nametraka fitoriana teny amin’ny prefet sy ny governora ny faritra atsinanana, vokany dia nampiantso azy ireo ny governora sy ny prefektiora ny sabotsy 22 jolay teo.

Tonga aloha ny ekipan’ny ben’ny Tanana, raha tara tamin’ny 05ora hariva kosa izy telo mianadahy nampiantsoana ity. Tsy nahazo niditra moa ny mpanao gazety nandritra izany, ka nihonona tamin’ny vaovao azo teny amin’ny sisiny fotsiny, ka araka ny fantatra dia tsy nisy tapaka nandritra ny dinika satria samy namoaka ny tao am-pony avokoa ireo olona nampanantsoina ireo nandritra ny dinika nifanaovana rehetra, ka vao maika nihenjena ny tady.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo