• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Barwafm
Image
Vaovao

Herisetra ara-nofo : Misy sahy manararoatra ireo manan-kilema

26/07/2023 08:10 © Moov.Mg

Amparafaravola : Zazavavy 12 taona tsy salama saina no naolana lehilahy 40 taona tany amin'ny Kaominina Andilana avaratra, ny 22 jolay lasa teo.

Vokatry ny tsy fahaizana mifehy ny filana ara-nofo ve ? Sahy mampihatra herisetra amin'ny tsy salama saina mantsy ireo lazaina fa salama saina tsara. Tany Amparafaravola tany, lehilahy 40 taona no manararoatra ara-nofo tovovavy kely vao 12 taona, manan-kilema ara-tsaina.
Nentin'ity rangahy tao amin'ny trano fonenany razazavavy ary nanaovany ny filan-dratsiny tao. Taitra ny manodidina raha nahatsikaritra ny trano nihidy. Araka izany, tsy maintsy novakiana avy aty ivelany ny varavarana, ka rehefa tafiditra ny manodidina dia io tokoa izy roa fa samy miboridana.Teo no ho eo ihany dia nentin'ny fokonolona tany amin'ny mpitandro filaminana ilay lehilahy hanaovana fanadihadihana.

Fepetra famaizana

Tsy vitsy ireo Zaza tsy ampy taona iharan'ny fanolanana. Tsy hoe nanao zipo fohy izy ireny na manana vatana mampitsiriritra ka mety hanaitra ny filan'ny lehilahy. Tsy azo lavina araka izany fa misy tokoa ireo lehilahy tia miray amin'ny Zaza sy ankizy na "pédophile", sy ireo tsy mahatana ny filany ka mitady izay ho arapaka etsy sy eroa.
Tsara raha misy sazy manokana ho an'ireo mpanolana eto amin'ny firenena, indrindra ireo tratra ambodiomby. Ilaina ihany koa ny manamafy ny fanabeazana ara-pananahana eny anivon'ny sekoly sy ny fiaraha-monina. Hatreto mantsy, efa tsy azo atao intsony ny mametraka zaza (na lahy na vavy) amin'ny lehilahy, na dia havana akaiky aza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo