• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Primature - Lapan'I Mahazoarivo
Image
Vaovao

Morondava : Fikaonan-doha iraisam-paritra mikasika ny Fiarovana sy ny Filaminana

03/08/2023 15:14 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy anio maraina tamin’ny 10 ora tao Morondava ny Fikaonan-doha iraisam-paritra mikasika ny Fiarovana sy ny Filaminana.

Fanatrehan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny

Tanterahana any Morondava androany 03 AOgositra sy rahampitso 04 Aogositra ny fiahaonambe iraisam-pirenena mikasika ny Fiarovana sy ny Filaminana. Nanotrona ny fotoana tany an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-karazany eo anivon’ny fitandroana ny filaminana toa ny ministry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly RAKOTOARIJAONA Josoa, ny ministry ny Filaminam-bahoaka, RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Serge Gellé. Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Praiministra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta.
Hita teny an-toerana ireo olom-boafidy toa ireo solombavam-bahoaka, ireo governora, sy ireo ben’ny tanànan’ny faritra izay voakasiky. Ankoatra ireo olom-panjakana dia tonga nanotrona ny fanokafana ny fihaonambe teny an-toerana ireo Ampanjaka sy ireo mpitarika fivavahana.

Fanamafisana ny fitandroana ny filaminana

Tanjona voalohany amin’izao fihaonambe izao ny hamafisana ny fitandroana ny filaminana. Faritra dimy izay hita fa tena ianjadian’ny tsy fandriam-pahalemana, ary tena marefo amin’ny resaka asan-dahalo no tena hiantefan’izao fihaonambe izao. Resahana manokana mandritra ny fikaonan-doha ary ny mahakasika an’i Menabe, Bongolava Vakinankaratra, Melaky ary Amoron’i Mania.
Ho hita mandritra ity roa andro ity noho izany, ny fankan-kevitra eo amin’ireo mpisehatra mba hahafahana mametraka paikady mahomby hiatrehana ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana any amin’ireo faritra dimy voalaza tetsy ambony ireo. Foto-kevitra hijoroan’ny hetsika tokoa mantsy ny fametrahana fa miara-misalahy amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana avokoa ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena. Manana anjara amin’izany ihany koa ny sivily amin’ny alàlan’ny fanamorana ny asan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny alàlan’ny fanomezam-baovao na koa ny fitorohana ny mpanao ratsy.
Fotoana lehibe ho an’ireo antoko-tafika telo fihaonambe voalohany izao, izay ahitana ny tafika Malagasy, ny zandarimariam-pirenena, ary ny polisim-pirenena. Hamafisina mandritra izany ny fiaraha-miasa eo amin’ireo antoko telo ireo, fa ihany koa ny sivily.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo