• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Loka.Jpg
Image
Vaovao

Filokana eny an-dàlambe : Lehilahy lehibe miisa dimy nosamborina

04/08/2023 15:29 © Moov.Mg

Lehilahy lehibe mpiloka amoron-dàlana no nosamborina, rehefa ninia tsy nanaraka ny fanentanana nataon’ny polisy.

Voararan’ny lalàna tokoa ny filokana an-dàlambe, ary tokony hanaraka izany avokoa ny rehetra. Noho izy voararan’ny lalàlana izay dia misy ny sazy ampiharina amin’ireo minia tsy mandàla izany. izany indrindra no nahazo ireto lehilahy lehibe dimy lahy. Araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny polisim-pirenena dia efa nentanina ireto farany mba tsy hiloka an-dalambe.
Notenenina moramora izy ireo fa tsy azo atao ny filokana an-dàlambe. Rehefa izany dia nandray ny diany indray ny polisy. Kelikelin’io anefa dia niverina teo amin’ny toerana nisy ireto dimy lahy indray ny polisy ary gaga raha nahita fa indreo mbola manohy ny lokany ihany izy dimy lahy. Nanapa-kevitra ny hisambotra azy ireo avy hatrany ny polisy rehefa sarotra natoro sy tsy nety notenenina izy ireo. Nanokafana fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria ireto lehilahy lehibe avy eo.
Manoloana ny tranga toa izao dia mampahafantatra ny rehetra ny polisim-pirenena fa tsy azo atao ny miloka eny an-dalambe. Tsy azo atao, noho izany, ny milalao mena mahazo, kidia kely, tourniquet, domi sy ireo lalao hafa rehetra afaka hilokana eny an-dàlana. Efa maro ny fanentanana natao hoy ny polisy ka hiroso amin’ny fisamborana izy ireo manomboka izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo