• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanolanana zaza tsy ampy taona : Talen’ny Epp sy CEG iray nosamborina sy nadoboka am-ponja

07/08/2023 10:26 © Midi Madagasikara

Tapitra hatreo ny hasin’ny maha-mpanabe sy mpampianatra azy !

Tale iray eo anivon’ny Epp sy Ceg any amin’iny kaominina Brieville, ao amin’ny distrikan’Andriamena, no nosamborin’ny zandary, noho ny resaka fanolanana sy fametavetana ary fanaovana fihetsika mamoafady amin’ny ankizy mpianatra. Nadoboka am-ponja tany an-toerana avy hatrany moa ity farany, taorian’ny fanolorana azy teo anivon’ny Fampanoavana. Ny herinandro teo izy no nosamborina rehefa naharay fitarainana avy amin’ny ray aman-drenin’ireto mpianatra ny zandary any an-toerana. Raha ny fanazavana azo dia fihetsika mamoehatra sy tsy fampiseho masoandro tokoa ny vitan’ingahy Tale tamin’ireto ankizivavy kely miisa roa ireto. Mivoana tanteraka amin’ny fanabeazana, raha toa ka izy noeritreretina ny mba hiaro indray no nahavita izany fomba ratsy izany. Ny vaovao azo hatrany no nahafantarana fa dia tsy tahotra tsy henatra fa dia mikitika ny taovam-pananahan’ireo ankizy ingahy Tale. « Hosoran’io mpanabe io menaka sy savony ny tànany ary atsofony any amin’ny fivavian’ireo zaza » hoy ny vaovao azo. Teo anatrehan’ny zava-misy moa dia tsy nisalasala, nitoroka sy nametraka fitoriana tany amin’ireo zandary mpampandry tany an-toerana ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary, nisambotra an’ity olon-dehibe tsy mahay miaina ity. Nanao ny famotorana rehetra ary io izy nandray ny valin’asany io aloha, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Ny zandary moa dia manentana hatrany ny rehetra, hanatona sy hanome vaovao azy ireo raha vao mahita tranga tahaka izany, ahafahana misambotra ireny fanetriben’ny firenena sy mpanimba ny ho avin’ny ankizy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo