• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Indonezia – Madagasikara : Hamafisina ny fiaraha-miasa

28/08/2023 16:55 © Moov.Mg

Tontosa androany tetsy Ivandry ny fihaonana teo amin’ny ministry ny Jono sy ny Toe-karena manga, Mahantante Paubert sy ny delagasiona avy amin’ny firenena Indonezianina. Ity farany dia notarihinan’ny ministra lefitra misahana ny « Souveraineté Maritime et Energie »-ny.

Fampiofanana ireo teknisiana

Anisany fotoana lehibe ho an’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga ny andro androany. Fotoana izay nahafahan’ny ministra nitafa sy nihaona tamin’ny delegasiona Indonezianina. Noresahana manokana tamin’izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena manga. Fomba iray hahafahana manatratra izany tanjona izany ny fifanampiana eo amin’ny firenena roa tonta.
Efa an-taonany maro tokoa no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’i Indonezia sy i Madagasikara. Ary tamin’ny fomba samihafa no nisehoan’izany. Raha ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena manga manokana no jerena dia efa niroso tamin’ny fanampiana an’i Madagasikara i Indonezia. Ohatra tamin’izany ny fanomezana vatsim-pianarana sy fiofanana maro ho an’ireo teknisianina malagasy.
Volana vitsy lasa tokoa izay no nidina ifotony tany Anakao, any Toliara, ny delegasiona indonezianina. Fotoana izay nanomezan’izy ireo fiofanana ireo mpanjono any an-toerana. Tafapetraka tamin’izany ihany koa ny « dispositif de Concentration de poisson » na ny DCP. Mpanjono miisa 50 teo ho eo no nisitraka izany.

Fanamafisana ny fiaraha-miasa

Tafiditra ao anatin’ny fivoriana sy ny hetsika izay tohanan’ny AIS Forum, izay tanterahana eto Madagasikara ny fihaonana izay tontosa androany teo amin’ny MPEB sy ny delegasionina Indonezianina. Fotoana iray izay nahafahana indray, nanamafy ny fiaraha-miasa ny roa tonta ao anatin’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga, fa ihany koa nanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika.
Aorian’izao fihaonana androany izao, dia inoana ny hisian’ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanjonoana sy ny Toerakarena Manga amin’ny ankapobeny. Heverina ihany koa ny hisian’ny fifanakalozana ara-tsiansa eo amin’i Madagasikara sy i Indonezia. Izany dia mba ho an’ny tombotsoan’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo