• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Toekarena sy Fitantanam-bola : Nivoaka ny rakibolana ara-ekonomika

28/08/2023 20:23 © Moov.Mg

Namoaka Rakibolana mirakitra ireo teny ara-ekonomika sy ara-toekarena fampiasa ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola androany 28 Aogositra 2023.

Mihoatra ny 300 pejy ity rakibolana ity, izay fandikan-teny Frantsay-Malagasy. Tsy mitsaha-mivoatra mantsy ny teny sy ny voambolana fampiasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Manamora ny serasera

Tanjona ny hanatsarana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny vahoaka sy ireo mpila raharaha eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Noho izany dia hanamora ny fandrafetana ireo antontan-taratasy ofisialy, ny fifandraisana sy ny serasera amin'ny haino aman-jery ary ny tambajotra sosialy ity fitaovana ity. Lova napetraka ho an'ireo mpiara-miasa ity Rakibolana ity, hoy ny nambaran-dramatoa Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony. Nanentana ihany koa izy ny mba hanatsaran'ireo taranaka any aoriana ity rakibolana ity, amin'ny maha-velona ny teny Malagasy.


Copyright Image : © MEF

Voambolana mitovy

Fiara-miasa avy amin’ireo Departemantan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola ary ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) no nahatontosana izao rakibolana izao. Heverina, noho izany, fa ho voambolana Malagasy mitovy sy mifanaraka amin’ny tranga misy, no hampiasain’ny Minisitera, ny manan-draharaha, ny mpanao gazety ary ny mpisehatra eo amin’ny tambajotran-tserasera, manomboka izao. Efa azon’ny rehetra jerena ao amin’ny Tranokalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ity rakibolana ity.


Copyright Image : © MEF

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo