• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina kandida : tsy maintsy mametra-pialàna rahampitso

08/09/2023 14:53 © Moov.Mg

Rahampitso sabotsy 9 septambra 2023 no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida hofidiana ho filoham-pirenena ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, araka ny tetiandrom-pifidianana napetraka. Raha ny datim-pifidianana amin’ny 9 novambra 2023 ihany koa no jerena, dia andrasana amin’io datin’ny rahampitso io ny fametraham-pialàn’ny filoha ankehitriny, Andry Rajoelina.

Efa voapetraka ny antontan-taratasy

Tsy maintsy mametra-pialàna i Andry Rajoelina rahampitso, na eken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny antontan-taratasim-pifidianany, na tsia, hoy i Fanirisoa Ernaivo, Filohan'ny sendikan'ny Mpitsara teo aloha no sady mpitarika ny ankolafy fanoherana RMDM Frantsa, tao amin’ny onjam-peo iray androany. Noho izy mirotsaka ho kandida mantsy no antony mahatonga ilay fametraham-pialana ary efa nametraka ny antontan-taratasiny teny anivon’ny HCC izy, noho izany dia tokony miala, araka ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Mandeha be anefa ny feo ankehitriny fa mitady izay fomba rehetra hitazonana ny toerany ny filoha Andry Rajoelina.

Fangataham-panazavana

Nitarika resabe tao anaty tambazotra sosialy ny fiparitahan’ny taratasy maneho ny fangataha-panazavana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny anivon’ny HCC, momba ny fomba azo amakiana ny andinin-dalàna faha-46 tapany faharoa amin’ny lalàmpanorenana, sy ny mety ho fetran’izany lalàna izany. Efa nataon’i Ntsay Christian ny fangataham-panazavana toy izao, raha tsiahivina, tamin’ny taona 2018. Tsy nahagaga loatra anefa izany tamin’io fotoana io, satria tsy nitovy firehana ny praiminisitra sy Rakotovao Rivo, izay nandray ny toeran’ny filoham-panjakana nisolo toerana an’i Hery Rajaonarimampianina.

Mazava be ny lalàna

Nilaza moa i Fanirisoa Ernaivo fa mazava be ny lalàna, fa mila mametra-pialana 60 andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny filoha am-perinasa, raha mirotsaka hofidina. Tsy misy fomba famakiana hafa azo andikana izany. Andrasana, araka izany, raha hanaja ny lalàmpanorenana izay voafidy tamin’ny fotoana nitondrany ny tetezamita, tamin’ny taona 2010, i Andry Rajoelina, na tsia. Raha ny zava-misy aloha dia mbola hitokana ny lalam-pirenena faha-44 izy rahampitso, araka ny fandaharam-potoanany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo