• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena : Nitombo isa ny birao fandatsaham-bato

08/09/2023 16:50 © Moov.Mg

Nahitana fitomboany 1.987 ny isan’ireo birao fandatsaham-bato hampisaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana novambra ho avy io, araka ny fampahafantarana nataon’ny CENI androany.

Mihoatra ny 700 isa

Raha ny tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna tamin’ny taona 2019 dia niisa 25.388 izany ary tonga 27.375 izy amin’izao. Antony, raha ny fanazavana azo avy amin’ny CENI, dia noho ny fitombon’ny isan’ny mpifidy. Rehefa mihoatra ny 700 isa mantsy ny mpifidy ao amin’ny biraom-pokontany iray dia zaraina roa izany. Ankoatra izay dia nampitomboina ihany koa ny birao fandatsaham-bato ho an’ireo fokontany midadasika be ka mifanelanelana lavitra loatra ny birao fandatsaham-bato ao aminy.

Mangarahara

Nanamafy ny eo anivon’ny CENI, ankoatra izay, fa afaka mijery ny rejisitry ny fifidianana ao anaty tranonkalany avokoa, na ny kandida na ny olom-pirenena. Ho an’ny lisi-pifidianana anefa dia ny anaran’ny mpifidy ihany no azon’ny besinimaro jerena, fa ny mombamomba manokana, toy ny laharan’ny karapanondro kosa dia tazonina ho fiarovana ny tsiambaratelon’ny tsirairay. Azon’ilay mpifidy jerena kosa izany ao anatin’ny dingana manaraka. Nanamarika moa ny filohan'ny CENI, Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, fa tsy misy miafinafina ny asa ataon’ity vaomiera ity fa mangarahara avokoa.

Tsy afa-po

Na eo aza izany dia nilaza ho mbola tsy afa-po amin’ny rejistry ny mpifidy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Riana Andriamasinoro, izay nanatrika ny fampahafantarana nataon’ny CENI androany. Mbola misy, araka ny nambarany, ireo fanontaniana sasany tsy voavaly, toy hoe : misy birao fandatsaham-bato daholo ve ny fokontany rehetra manerana an’i Madagasikara. Nilaza moa ny CENI fa mbola misy hatrany ny fanatsarana atao. Dingana manaraka ho atrehina eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ny fisarihana izay ho laharan’ireo kandida ao anaty bleta tokana, izay hotontosaina amin’ny alatsinainy ho avy izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo