• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena : 13 ihany ireo kandida neken’ny HCC

10/09/2023 17:51 © Moov.Mg

Navoakan’ny HCC omaly hariva ny lisitr’ireo kandida ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Miisa 13 izy ireo raha 28 no nametraka ny antontan-taratasy.

Ireto avy ary izy ireo :
1-RAVALOMANANA Marc
2-PARAINA Auguste Richard
3-RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunelle
4-RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry
5-RATSIETISON Jean-Jacques Jedidia
6-ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona
7-RADERANIRINA Sendrison Daniela
8-RAZAFINJOELINA Tahina
9-RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery-Martial
10-RAOBELINA ANDRIAMALALA Andry Tsiverizo
11-RATSIRAHONANA Lalaina Harilanto
12-RATSIRAKA Iarovana Roland
13-RAJOELINA Andry Nirina

Marihana fa ny alatsinainy ho avy izao no hanatanterahana ny fisarihana ny laharan’ny kandida tsirairay ao amin’ny bileta tokana, eny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia.

Ireo tsy tafiditra anaty lisitra

Adin'ny samy lehilahy ity fifidianana filoham-pirenena 2023 ity. Tsy misy vehivavy tafiditra mantsy anaty lisitra ofisialy satria niala an-daharana ny ankamaroan'izy ireo.
-Annick Zoary Ratsiraka (Niala an-daharana)
-Marie Josiane Vololonirina
-Marie Masy Goulamaly (Niala an-daharana)
-Noel Abel JEAN
-Julia Mickaelle Rasolofonoroniaina (Niala an-daharana)
-Tiana Guy Lachapelle
-Sylvia Claudette Ranaivojaona
-Andriatsihety James Rasoamaka
-James Francklin Rakotomahanina
-Elias Ralaiarimanana
-Claude Raharovohatra
-Miarintsoa Rasolofotiana
-Jean Bruno Betsy Andriamanolo
-Roindefo Zafitsimivalo Monja
-Ephraim Stephanson Randrianambinina
Ny tsy fametrahana antom-bola moa no anisan’ny antony tsy naneken’ny HCC ny filatsahan-kofidian’izy ireo. Misy kosa ireo nisintona ny antontan-taratasiny mialoha ny fotoana fanapahana ny lisitry ny kandida ofisialy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo