• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Infocomm Seg
Image
Vaovao

Andapa : Nandoro vola, natao hazalambo

11/09/2023 06:20 © Midi Madagasikara

Haingana be ny fivoaran’ny vaovao raha vao niparitaka fotsiny ny horonan-tsary misy ilay vehivavy nandoro vola tany Andapa. Iray andro taorian’ilay nataony dia efa nisy fikarohana azy ary nasaina izay olona mahita ny misy azy mba hampita vaovao.

Omaly indray, izany hoe roa andro taty aoriana, dia fantatra fa voasambotra ilay vehivavy. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany araka ny voalazan’ny lalàna famaizana mahakasika ny fanaovana vola sandoka, fanovana ny endriky ny vola ary famotehana vola, hita ao amin’ny andininy faha-132 ka hatramin’ny 134.

Mampigadra avokoa izany rehetra izany kanefa mba tsara jerena ihany ny antony naha-tafiditra ity vehivavy ity tao anatin’ny fandorana vola. Tsy azo ihodivirana aloha ny tsy fahafantarana ny lalàna ary azo heverina fa noeritreretiny fa rehefa azy ilay vola dia izay tiany hanaovana azy. Raha ny marina anefa dia ny sandan’ilay vola no an’ny tompony fa ny ravim-bola kosa dia fananana iombonana. Io indrindra koa no isan’ny nanenjehana azy, fanimbana fananana iombonana. Etsy ankilan’izany, tafiditra amin’ny fandriky ny tambajotra sosialy ilay vehivavy avy amin’ny fanaovana ireny « challenge » ireny. Rivotra izay mitsoka avy ivelany ary tonga eto amintsika noho ny fanatontoloana izany. Betsaka ny « challenge » ka rehefa tsy manao izany dia toy ny tsy maharaka ny vanim-potoana iainany, ary lasa menatra amin’ny fiaraha-monina eo amin’ny tambajotra. Dia roboka koa ny anao vavy, toy ny olona sasany izay tafiditra koa.

Miandry ny fitsaràna azy izy atsy ho atsy, kanefa na izany aza dia mba mila hamafisina ihany ny fahalalana sy ny fampianarana mba tsy ho roboka amin’ny toy izao ny vahoaka. Nahoana raha mba aompana amin’ny loza mety hateraky ny tambajotra sosialy ny fampiofanana sy ny atrikasa etsy sy eroa, izay tena manavanana ny mpamatsy vola ka hiveloman’ny Ong sy fikambanana maro? Olona efa an-tapitrisany no mampiasa tambajotra sosialy ary mety hitera-doza raha ao anatin’ny tsy fahalalana ny fampiasana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo