• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Usaid
Image
Vaovao

Fitsarana Ara-Bola : Notoloran’ny USAID solosaina, ho fanatsarana ny fitantanana

21/09/2023 16:41 © Moov.Mg

Nahazo solosaina miisa 48 avy amin’ny governemanta amerikanina, amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana sy amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) ireo biraon’ny Fitsarana Ara-Bola eto Madagasikara. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny mangarahara, ny fandraisana andraikitra ary ny fitondrana tsara tantana eto amintsika.

Fampiasana ny teknôlôjia vaovao

Fampitaovana fanindroany nataon’ny tetikasa USAID TANTANA izao fanolorana solosaina izao, taorian’ny tamin'ny taona 2021, izay efa nanomezana solosaina ho an'ny Fitsarana momba ny Kaonty, nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara. Tanjona kendrena amin’izany ny hanatsarana ny fitantanana ny Fitsarana Ara-Bola amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) , ny hampanjakana ny mangarahara, ny hisian’ny tamberin'andraikitra ary ny fahombiazan'ny fitantanam-bolam-panjakana

Fampiroboroboana ny mangarahara

« Mijoro hatrany ny USAID amin’ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny ezaka ataony amin’ny fampiroboroboana ireo andrim-panjakana, mba hahomby sy azo ianteherana ary ho an’ny rehetra », hoy i Anne Williams, Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara. "Ny fanomezana solosaina dia maneho ny maha zava-dehibe ny fampiroboroboana ny mangarahara, ny fandraisana andraikitra ary ny fitondrana tsara tantana. Mino izahay fa ny fampitaovana ireo biraon’ny Fitsarana Ara-Bola dia hampahomby kokoa ny fanarahamaso ny volam-panjakana, hahasoa ny olompirenena malagasy, ary hanamafy ireo ezaka rehetra efa natao mba hahalavorary ny fitsinjaram-pahefana."

Fototra matanjaka kokoa

Sehatra maro lafy no tohanan’ny USAID TANTANA, toy ny fanofanana momba ny fitantanana, ny ady amin'ny kolikoly ary ny fanaraha-maso ny fitantanam-bola ho an'ny tompon'andraiki-panjakana miisa 160. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasan'ny Fitsarana Ara-Bola.

Heverina fa hitondra fanatsarana sy fahaiza-manao eo amin'ireo andrim-panjakana manara-maso ny fitantanam-bola eto Madagasikara ity fomba fiaraha-miasa ity, ka hanangana fototra matanjaka kokoa ho an'ny fitantanana tetibola sy ny fitantanana ifotony.


Copyright Image : © USAID

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo