• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Toliara : Taxibrousse voatafika, lasa ny volabe

22/09/2023 08:24 © Midi Madagasikara

Tsy alina akory ny andro dia efa raikitra ny fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena. Tokony ho 10km tsy hidirana an’Andranovory no nisy nanakana ny taksiborosy nitondra mpandraharaha amin’ny fivarotana omby, afak’omaly tokony ho tamin’ny dimy ora hariva.

Nitondra kodiaran-droa ireo jiolahy ary nanakan-dalana avy hatrany. Nambanana basy ny mpamily mba hijanona. Tsy afa-nanoatra mba ho fiarovana ny ainy. Nalaina avokoa ny finday miisa 19 teny amin’ireo mpandeha. Toy izany koa ny vola, izay mitentina 29 tapitrisa ariary. Vao vita izany dia nanjavona ireo olon-dratsy. Na teo aza anefa izany dia tonga teny amin’ny zandary ny zava-nitranga rehefa notadiavina tamin’ny fomba rehetra ny fampitàna izany.

Haingana dia nanao barazy manodidina ny nitrangan’ny fanafihana. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ankilimaro no nandalo ireo jiolahy ary raikitra ny fifanjevoana. Enina tamin’ireo olon-dratsy no lavo ary ny iray hafa nifanenjehana ary voatifitra koa ka maty. Mbola misy dimy hafa izay karohina amin’ity raharaha ity, raha araka ny zandary.

Raha ny fanazavana hatrany dia ilay mpandraharaha amin’ny omby no tena saika natao lasibatra, saingy rehefa nijanona ny takisiborosy dia voatafika avokoa ireo olona rehetra tao anatiny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo