• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © L'Essentiel Par Massif
Image
Vaovao

Fiovaovan’ny toetra’andro : Hanomboka ny tetikasa fiarovana ny tahirin-drano

22/09/2023 14:31 © Moov.Mg

Very fotsiny, mivarina any an-dranomasina, ny 95%-n’ny tahirin-drano eto Madagasikara. Azo trandrahana tsara anefa izany, ho entina miatrika ny hain-tany sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manomana tetikasa ho entina mikajy ny tahirin-drano ny Fitondram-panjakana malagasy, amin’ny alalan’ny ny Ministeran’ny rano ny fidiovana ary ny fahadiovana, tohanan’ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (BAD).

Fanadihadiana ara-teknika

Ao anatin’ny dingana fanomanana ny tetikasa PMP-VREAU (Projet de Mobilisation, Protection, Valorisation de la Ressource en Eau et de Renforcement de la Résilience au Changement Climatique) na fiarovana ny tahirin-drano ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro isika izao. Hisy, ao anatin’izany, ny fanadihadiana ara-teknika sy ny fanadihadiana hafa izay mety hilaina, hotanterahina mandritra ny 2 taona eo ho eo, momba ny fiarovana ny tahirin-drano, hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Dingana tsy maintsy andalovana izany, mialohan’ny hiantombohan’ny tena tetikasa lehibe. Tanjona ny ahafahana mijery, mitahiry sy mampiasa ireo tahirin-drano araka ny tokony ho izy.

Fampiofanana eny ifotony

Aorian’ny fanadihadiana dia Faritra 6 no hisitraka ny tetikasa momba ny tahirin-drano, dia Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra ambony, Ihorombe ary Androy. Paikady efa napetraky ny Fanjakana mantsy, araka ny fanazavana nomen’ny minisitry ny rano ny fidiovana ary ny fahadiovana, Fidiniavo Ravokatra, ny ahafahana mitahiry sy mitazona ireny rano ireny amin’ny alalan’ny tohodrano. Araka izany dia ny fananganana izany tetikasa goavana izany no ho tohin’ity fanadihadiana ity. Hisy ihany koa ny fampiofanana ireo vondron’olona eny ifotony, mba hahay hiaro ny rano tsy ho verivery foana sy hahaizan’izy ireo mitahiry izany ho lovain-jafy. Tanjona ny ahafahana miatrika ny fiovaoan’ny toetr’andro ao anatin’ny vanim-potoana maharitra, hoy hatrany ny minisitra.

Nanao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ity tetikasa PMP-VREAU ity androany ny minisitra Fidiniavo Ravokatra sy ny solontena maharitry ny BAD eto amintsika, Adam Amoumoun. Rehefa vita ny fanadihadiana, izay haharitra 2 taona raha ela indrindra, dia antenaina fa hitohy ny famatsiam-bola amin’ny fanatanterahana ny asa, hoy ny minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo