• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Fanjarian-tsakafo : hampianarina manodina sy mitahiry vokatra ny tantsaha

22/09/2023 16:49 © Moov.Mg

Manana tanjona iraisana ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana sy ny Ofisim-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo, dia ny haha-ampy sakafo sy hampanjary sakafo ny Malagasy. Ananantsika rahateo ireo karazan-tsakafo, izay mampitsiriritra ny firenena hafa.

Haitao sy ny fahaiza-manao

Nandritra ny famelabelaran-kevitra tao anatin’ilay hetsika Foara iraisam-pirenena momba ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) andiany faha-5, no nampahafantaran’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, miaraka amin’ny Ofisim-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo (ONN,) ny paikady iray entin’ny Fanjakana malagasy miady amin’ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo. Ny fanodinana ny vokatra ho azo tahirizina no nisongadina tao anatin’izany. Mazoto miasa sady mahavokatra mantsy ny tantsaha malagasy, hoy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Harifidy Janset Ramilison. Mipetraka ho olana anefa ny tsy fanan’izy ireo ny haitao sy ny fahaiza-manao amin’ny fitahirizana vokatra. Mahatonga ny tantsaha ho kivy izany, ka lasa tsy mamboly betsaka intsony izy ireo. Etsy an-daniny, tsy ampy ny tsenam-barotra hamoahana vokatra, ka lasa mahatsiaro ho maty antoka ny tantsaha raha mamokatra betsaka nefa lo fotsiny am-pitoerana izany.

Lafarinina vokatry ny tany

Raha ny momba ny lafarinina manokana, dia karazan-tsakafo 8 vokatra eto amintsika, fara-fahakeliny, no azo avadika ho vovoka. Sakana ho an’ny fampiasana ny lafarinina vita eto amintsika anefa hatramin’izay ny tsy fahafahana mamadika izany ho sakafo, toy ny mofo, mofomamy, na biskoitra, raha tsy afangaro amin’ny lafarinina vita amin’ny varim-bazaha. Ankehitriny kosa dia efa ananantsika ny fahaiza-manao hanodinana ireo lafarinina vokatry ny tany ireo, tsy voatery haaro lafarinina varim-bazaha, araka ny nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana. Narahiny fampisehoana karazana mofodipaina vita amin’ny lafarinina mangahazo moa izany. Tanjona ny hanapariahana izany fahaiza-manao izany amin’ny tantsaha, mba hananan’izy ireo tahirin-tsakafo entina miatrika ny vanim-potoanan’ny hain-tany sy ny rivo-doza, izay mahavitsy ny vokatra miakatra.

Karazan-tsakafo tsy mahazatra

Nanamafy ny profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpandrindra nasionalin’ny ONN, fa azo atao tsara ny mihinana ireo karazan-tsakafo tsy mahazatra antsika, atao foto-tsakafo, ampifamadibadihana amin’ny vary. Amin’izay ny tsirairay dia afaka misitraka sakafo miovaova sy maroloko. Ny fahazarana sy ny tsy fahalalana mantsy no mahatonga ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian’ny sakafo hanina. Ankoatra ny fanapariahana ny fampiasana haitao fanamboarana lafarinina amin’ireo tantsaha moa, dia misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ireo mpanao mofo eto amintsika, mba hampiasan’izy ireo an’ireo karazana lafarinina vaovao vokatra eto amintsika ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo