• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ampasampito – Anosibe : « Cash point » roa voatafika

23/09/2023 07:30 © Midi Madagasikara

Ny iray tsy nahazoan’ireo olon-dratsy na inona na inona, ny iray kosa, lasan’ireo jiolahy ny poketran’ilay tompona cash point ary nandratra olona roa izay polisy ny iray, vokatry ny tifitra nataon’ireto mpanafika.

Omaly, nataon’ireo olon-dratsy lasibatra ny toerana fandefasana sy fangalàna vola anankiroa, teny amin’iny faritra Ampasampito sy Anosibe iny.

Ampasapito

Ho an’ilay tetsy Ampasampito, izay toerana be olona ary tsy lavitra akory ny toeram-piantsonan’ny taxibe Meteo, dia nirefodrefotra vao maraina ny basy. Tokony ho tamin’ny fito ora latsaka tany ho any araka ny fitantaran’ny mpivarotra iray teo akaikin’ity toerana ity. « Teo am-pamoahana ny tsenany vao maraina mihitsy ilay renim-pianakaviana tompon’ilay cash point no tamy nanatona azy avy aorina ny lehilahy iray ary nisintona avy hatrany poketra teny aminy. Niantso vonjeo izahay ary rafitra namonjy sy niezaka nisambotra ity olon-dratsy ireo nahita. Tsy tapitapitra teo anefa nirefotra ny basy ary samy nitsoaka namonjy aina avokoa ny olona » hoy Rtoa Valisoa, mpivarotra. Raha ny fitantaran’ny mpivarotra iray hafa dia hoe, tamin’ny fotoana nisian’ny fifanjevoana no nisy naman’ity olon-dratsy nipoitra tsy lavitra teo ary nanapoaka basy.

« Vantany vao niantso vonjy izahay dia tonga nanatona avy hatrany ny polisy iray, nandrindra ny fifamoivoizana tsy lavitra teo saika hamonjy. Nipoaka anefa ny basy ary nahavoa azy sy lehilahy mpitaona entana iray tsy lavitra teo ». Nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly moa ireo naratra ireto. Ireo olon-dratsy kosa nanararaotra izany ary nitsoaka niaraka tamin’ny moto, izay niandry teny ambanimbanin’ilay cash point. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana moa ny polisy. Tazanay teny an-toerana ihany koa ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Antananarivo Renivohitra, notarihin’ny Lehiben’ny borigady.

Anosibe

Fa ankoatr’ity teo Ampasampito dia mpitana cash point iray ihany koa no fantatra fa notafihan’ny jiolahy, tetsy Anosibe Angarangarana mbola omaly maraina ihany, tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo. Jiolahy telo indray izy ireo, niaraka tamin’ny basy sy sabatra. Tsy nahazo na inona na inona moa ireto farany noho ny fitsoahan’ilay mpitana izany toerana izany tany amin’ny fokontany, tsy lavitra teo. Hany herin’ireo mpanafika dia nandrahona ireo olona nanatri-maso azy tamin’ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany ary nanararaotra nitsoaka nony avy eo. Marihana, araka ny angom-baovao azo fa efa fanindroany amin’izao ity toerana ity no voatafika, saingy niala maina hatrany ireo olon-dratsy. Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana atao.’ireo mpitandro filaminana amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo