• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 18 hatramin'ny 24 septambra 2023

25/09/2023 05:54 © Moov.Mg

Araho eto amin'ny moov.mg ireo vaovao nisongadina ny 18 hatramin'ny 24 septambra 2023, indrindra teo amin'ny lafiny politika sy sosialy.

CENI # Tsy tanteraka ny fihaonana faha-4

Tokony notanterahina ny 22 septambra lasa teo ny fihaonana faha-4 teo amin'ny CENI sy ireo mpanao politika. Fotoana hafa no hanatanterahana izany, mba hitsinjovana ny filaminana eto amin'ny firenena, indrindra amin'izao toe-draharaha politika somary mafana izao, araka ny nambaran'i Soava Andriamarotafika. Tsy hihemotra amin'ny fanatanterahana ny fihaonana ny CENI na dia teo aza ny tsy famalian'ireo kandida maro an'isa ny fanasana farany teo.

UPAR # Mpanohana an'i Andry Rajoelina

Ny zoma lasa teo no nitsangana tamin'ny fomba ofisialy ny Union des pro-Andry Rajoeluna (UPAR). Nisy ny lanonana lehibe izay notontosaina teny amin'ny CCI Ivato, notronin'ireo mpanao politika nisafidy ny hiara-dalana sy hampandany ny kandida laharana faha-3 amin'ny fididianana filoham-pirenena. Tsy vitsy ireo olom-baovao manatevin-daharana, toa an'i Pety Rakotoniaina sy i Paul Rabary.

Fifidianana # Fihaonan'ireo kandida 11 tamin'ny HCC sy ny Firaisamoninpirenena

Nafana tokoa iny herinandro lasa iny tamin'ny lafiny politika. Tsy vitsy ireo fihaonana tetsy sy teroa. Raha ireo kandida miisa 11 manokana no resahina, nisy ny fihaonan'izy ireo tao anaty efitrano mihidy tamin'ny mpikambana tao amin'ny HCC Ambohidahy. Nisy ihany koa ny fiarahana tamin'ny firaisamonimpirenena teny amin'ny La Résidence Ankerana. Dinidinika mikasika ny fifidianana moa no natao. Koa satria "réunion à huit clos" no natao, tsy nisy ny fanambarana ofisialy niraisana tamin'ny fiafaran'ireo fifanakalozana ireo.

Fifidianana # Fiofanan'ireo mpanao gazety

Mpanao gazety miisa 30 no nisitraka fampiofanana teny amin'ny La Résidence Ankerana, ny herinandro lasa teo. Nifantoka tamin'ny fianarana ny fampitam-baovao mandritra ny vanim-potoanan'ny fifidianana moa izy ireo. Izany no natao dia mba hisorohana ny fanaparitahana vaovao diso na fanovana ny votoanton-kevitra. Manampy betsaka ireo mpanao gazety izany mba hanome vaovao voamarina hatrany, na mety misy aza ireo tsindry ara-politika.
Namaranana ny fiofanana ny famoahana "charte" iraisan'ireo mpanao gazety mandritra izao vanim-potoanan'ny fifidianana izao.

Ambaratonga Ambony : Fitokonan'ny mpianatra sy ny mpampianatra

Mitohy hatrany ny hetsiky ny SECES eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nanambara izy ireo fa hiha-mafy ny hetsika raha mbola tsy mahazo valiny mahafapo amin'ny fangatahan'izy ireo. Ho an'ny etsy amin'ny ESPA Vontovorona dia ireo mpianatra indray no niroso tamin'ny fitokonana. Nidina an-dalambe moa izy ireo nilanja sora-baventy, ny 20 septambra lasa teo. Noho ny tsy fisian'ny fampianarana moa no tena nitarainan'izy ireo.

Tsy fandriampahalemana # Fanafihana Cash-point

Tandindonin-doza hatrany ireo mpitazona Cash Point eto Antananarivo. Ny zoma lasa teo, nisy ny fandrobana nitranga teny Anosibe sy Ampasapito. Ity farany moa dia nampiasa basy mihitsy ireo jiolahy ka sady nandratra olona no nahazo ny vola rehetra. Nikasa ny hanavotra ilay vehivavy mpitantana ny cash-point moa ny manodidina ka izany indrindra no nahasahian'ireo olon-dratsy nanapoaka basy. Polisy sy mpibata entana ireo naratra. Hatreto aloha, mbola mitohy ny fanadihadihana izay tontosain'ireo mpitandro ny filaminana.

Tsy fandriampahalemana # Fangalarana vy

Mbola ezaka goavana ny fantenanana amin'ny fitandrovana ny fananana iombonana. Raha vao herinandro vitsy izay no nanokanana ny RN44, efa nisy nangalatra sahady ny vy teo amin'ny tetezan'i Mantangisa, PK 128+600. Nidina teny ifotony moa ny ekipan'ny Ministeran'ny Asa Vaventy nijery ny zava-misy. Tsy vao izao akory no misy tranga fangalarana na fanapotehana fananana iombonana. Tsy vitsy ireo sahy mangalatra panneaux de signalisation, sisina trotoir, panneaux solaires, sns. Mampahatsiahy ireo tompon'andraikitra fa iharan'ny sazy henjana ireo tompon'antoka amin'izany.

Miverina ny fametahana ny branchement mora

Mitohy ny fametahana ny branchement mora izay tanterahan’ny Jirama. Tonga ny faran’ny volana aogositra lasa teo mantsy ireo kaontera miisa 25 000 ilaina amin’izany. Efa nivoaka ny herinandro teo ihany koa araka izany ny lisitr’ireo olona afaka hisitraka ity tolotra ity. Marihina fa ireo izay efa nanefa ilay saran’ny fametahana ny kit kaontera 30 000 ariary ireo ao anatin’ny lisitra ireo, ary ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina no hanatanterahana izany ankehitriny. Raha tsiahivina dia tokatrano miisa 105 000 no kendren’ny Jirama hametahana kaontera avy amin’ity tetikasa branchement mora ity mandrapahatongan’ny faran’ny taona.

Nahazo fankasitrahana iraisiam-pirenena ny LNTPB

Ny volana jolay lasa teo dia nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena ny Laboratoara nasionalin’ny Asa Vaventy sy ny Taotrano na ny LNTPB. Marihana fa ny European Society for Quality Research (ESQR) no nanolotra izany, taorian'ny fanatanterahana ny fifaninanana ahazoana ny amboara iraisam-pirenena mikasika ny lenta sy ny kalitao ho an’ny taona 2023.
Raha tsiahivina dia miompana amin’ny fanaraha-maso ireo asa fanamboarana isan-karazany tafiditra ao anatin’ny asa vaventy sy ny taotrano ity laboratoara ity. Miantoka ny kalitaon’ny asa izay tanterahana ny LNTPB araka izany.

Vehivavy malagasy roa mpivaro-tena tratra tany Maorisy

Vehivavy malagasy roa, 31 taona sy 33 taona, izay voaroiroy ho nivaro-tena no tratra tany Terre-Rouge Maorisy ny herinandro lasa iny. Vola manodidina ny 8 000 000 ariary no tratra tany amin’izy roa vavy ireto. Voasambotra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny lehilahy iray 62 taona avy any Bangladesh. Ity farany moa no ahiana ho mpampanofa azy ireo, ary tompon’ilay trano nahatratrarana azy roa vavy ihany koa.
Nandritra ny fidinana ifotny izay nataon’ny polisin’ny Divisional Crime Intelligence Unit (DCIU) no nahatratrarana azy ireo rehefa nahazo angom-baovao ny polisy fa misy tambazotra mpivaro-tena ao Terre-Rouge.

Ankadinondry Sakay : Tsy ho ela dia hanomboka hamokatra menaka

Afaka andro vitsivitsy dia hanomboka hamokatra menaka indray ny kaominina Ankadinondry Sakay. Raha tsiahivina dia anisan’ireo nisitraka milina fanodinana voanjo ho lasa menaka tamin’ny alàlan’ny taninketsa indostrialy i Ankadinondry Sakay. Programan’asa tafiditra ao anatin’ny tetikasa ODOF izay tontosain’ny eo anivon’ny ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izy ity.
Efa vonona ihany koa ny mpandraharaha hiandraikitra ity milina ity, ary ireo voanjo ilaina amin’izao fanombohana ny tetikasa izao. Hisy manomboka izao ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha sy ireo kaoperativa hivondronan’ireo tantsaha misehatra ao anatin’ny fambolena voanjo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo