• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mr Entreprise
Image
Vaovao

Asa fanaovan-gazety : mamolavola tolo-dalàna hanalalahana ny loharanom-baovao ny ilon-tsera

25/09/2023 16:01 © Moov.Mg

Eo amin’ny laharana faha-101 amin'ny firenena 180 maneran-tany no misy an’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, raha ny laharana maneran-tany navoakan’ny RSF (Reporters Sans Frontières) tamin’ity taona 2023 ity. Maro ny antony mahatonga izany, araka ireo tondro ikajian’ny RSF izany fahalalahana izany. Isan’ny sakana iray ny fihidian’ny loharanom-baovao, ka tsy ahafahan’ny mpanao gazety miditra lalina amin’ny fanadihadiana ataony. Mamolavola lalàna manamora ny fahazoan’ny mpanao gazety vaovao ny ONG Ilontsera.

Zo fototry ny olom-pirenena

Araka ny fitarainana azon’ity fikambanana tsy miankina ity, dia sahirana ny mpanao gazety vao mahavita mitrandraka vaovao. Maro ireo loharanom-baovao mihidy, manoloana ny fitrandrahana ataon’ny mpanao gazety, toy ny eny amin’ny mpitandro ny filaminana, ny fitsarana, ny toeram-pitsaboana miankina amin’ny Fanjakana sy ny maro hafa. Na mahavita mitrandraka aza, dia mbola sahirana ihany koa eo amin’ny famoahana ny vaovao, rehefa tratran’ny teritery. Tsiahivina anefa fa zo fototry ny olom-pirenena rehetra ny hahazo vaovao marim-pototra, voamarina sy azo amarinina. Araka izany, ny tsy fahafafahan’ny mpanao gazety mahazo vaovao any amin’ny loharanom-baovao dia tsy ahafahan’ny olona misitraka ny zony.

Fampandrosoana ny serasera

Mba ho fanatsarana izay sehatry ny fampahalalam-baovao izay dia hamolavola lalàna ahafahana manamora ny fahazoana vaovao avy amin’ny loharanom-baovao ny fikambanana tsy miankina Ilontsera, izay misehatra amin’ny fanaraha-maso ny haino vaky jery. Tafiditra ao anatin’ny tetik'asa "MAHAALOKE" izany, izay voafantina tamin'ireo tetikasa miisa 143 manerana an’i Afrika, ao anatin'ny Fandaharan'asa Iraisam-pirenena ho Fampandrosoana ny Serasera (PIDC), vatsian’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO) vola.

Fiarovana ny mpanao gazety

Araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny ONG Ilontsera, Rakotonirina Lalaina, dia asa voalohany hotanterahina ny fampiofanana ny mpanao gazety mba hahalala bebe kokoa ny vontoatin’io lalàna io. Manaraka izay dia hisy ny latabatra boribory iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra voakasika, toy ny ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, ny parlemantera, ny firaisamonimpirenena, ny tompona orinasan-gazety sy ny mpanao gazety. Hifantoka betsaka amin'ny adisisika ho fampandanina ity tolo-dalàna ity izany, mba hisitrahan’ny mpanao gazety ny zony hahazo toro na vaovao hotrandrahana. Tanjona ihany koa ny mba hahazoan’ny mpanao gazety fiarovana ao anatin'ny fanatanterahany ny asany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo