• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Positive Eating
Image
Vaovao

Fandaminana ny tanàna : Hisokatra amin’ny 26 aprily ny tsena hateloana eo Analakely

19/04/2024 09:04 © Moov.Mg

Miroso amin’ny fandaminana ny eo Analakely ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanapahan-kevitra noraisina, araka ny fanazavan’ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra omaly, ny fanesorana ireo mpivarotra eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra (trottoir).

Ho an’ny mpivarotra an-tsisin-dalana

Araka io fanazavana io dia tsy ho azo hivarotana intsony ny lalan’ny mpandeha an-tongotra eny Analakely, Tsaralalàna, manoloana ny Institut d’hygiène, ny eny ambany « arcades » sns… Izany dia tafiditra ao anatin’ny lamina mifehy ny firindran'ny tanàna : ny arabe ho an'ny fiara, ny sisin-dalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ary ny tsena ho an'ny mpivarotra. Mba ho fitsinjovana ireo olona mivelona amin’ny varotra kosa anefa, dia hametraka ny antsoina hoe : « rue piétonne », na lalana ifamezivezen’ny mpandeha an-tongotra, ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Manomboka ny 26 aprily izao no hiasa izany. Miainga eo amin’ny tsangambaton’ny Sida ity lalana ity, ka hipaka hatreo anoloan’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana izay nesorina dia afaka mivarotra ao anatin’io « rue piétonne » io, manomboka ny zoma hatramin'ny alahady. Foana kosa izany tsena hateloana izany, manomboka ny alatsinainy ka hatramin'ny alakamisy. Araka izany ihany koa dia ho tapaka amin’ny fifamezivezen’ny fiara io lalana io, mandritra ireo 3 andro ireo, isan-kerinandro.

Tsy andoavam-bola

Tsy andoavam-bola ny fampidirana mpivarotra efa vita fanisana (recensement) ao anatin'io tsena mandritra ny hateloana io, fa rehefa tafiditra ao kosa izy ireo dia mandray anjara amin'ny fandoavana ny haban-tsena mahazatra. Rehefa mikatona moa ny tsena, ny alahady hariva, dia manatanteraka ny fanadiovana ny toerana ny avy eo anivon'ny Vondron'ny Mpamonjy Voina. Ankoatra izay dia mbola hisy ny fampahafantarana ireo fandaminana hafa, ho entin’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananrivo renivohitra, toy ny mahakasika ny lalan'ny fiara sy ny fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka ary ny fiarakaretsaka. Marihina fa mandritra sy ivelan’ireo telo andro hisokafan’ny « rue piétonne », dia tsy misy mpivarotra mahazo mivarotra amin’ny sisin-dalana intsony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo