• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 15 hatramin'ny 21 aprily 2024

22/04/2024 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, ny 15 hatramin'ny 21 aprily.

CUA # Fandaminana ny tsena eny Analakely

Tsy azo ivarotana intsony ny sisin-dalana eny Analakely, ho fampiharana ny hoe : ny arabe ho an'ny fiara, ny sisin-dalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ary ny tsena ho an'ny mpivarotra. Mba ho fitsinjovana ireo mpivarotra nefa dia ho apetraka ny atao hoe "rue piétonne" izay natokana ho fivarotana, ka tsy azo ivezivezen'ny fiara. Manomboka ny 26 aprily ho avy izao, mivondrona eo amin'ny "Tsangambaton'ny Sida" hatreo anoloan'ny Cisco Antananarivo ireo nivarotra tamin'ny "Trottoir", ny zoma hatramin'ny alahady. Tsy misy vola aloha mba ahafahana miditra ao fa rehefa tafiditra ao kosa ny mpivarotra dia mandray anjara amin'ny fandoavana ny haban-tsena mahazatra.

JIRAMA # Tale Jeneraly vaovao

Efa maromaro ihany ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny JIRAMA noho ny fitakiana ny fanendrena tale jeneralin'ny orinasa. Misy asa maro tsy mandeha mantsy noho ny fahabangan-toerana. Tany Toamasina no nanambaran'ny filohan'ny Repoblika tamin'ny fomba ofisialy ny talen'ny JIRAMA vaovao. Tsy iza izany fa i Ron Weiss. Teratany israeliana ny tenany. Mpitantana ny Rwanda Energy Group izy teo aloha. Efa nisy ny dinidinika niarahana tamin'ny Banky Iraisam-pirenena ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Ny volana may moa no handray ny asany eto Madagasikara i Ron Weiss. Antenain'ny Fanjakana sy ireo mpiasan'ny Jirama rehetra fa hamoakany orinasa ao anaty krizy ity manam-pahaizana ity.

JIRAMA # Famokarana herinaratra amin'ny herin'ny masoandro

Ny alakamisy 18 aprily lasa teo no nandraisana tamin'ny fomba ofisialy ireo "panneaux solaires" ho an'ny orinasa JIRAMA, tao Toamasina. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ireo "panneaux solaires" izay manana tanjaka 50MW hotsinjaraina manerana ireo distrika ireo. Eo ihany koa ireo vondrona mpiary herinaratra novatsian'ny Fitondram-panjakana izay manana tanjaka 105MW miodina amin’ny alalan'ny menaka mavesatra ka ny 30MW amin'izany dia hapetraka avy hatrany ao Toamasina, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.
Vahaolana maharitra no napetraka ary ao anatin'izany ny fananganana ireo toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro manerana ireo distrika 47 eto Madagasiakara.

Masoivohon'Israely # Nanolotra fanampiana noho ny Rivodoza Gamane

Ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka israeliana. Na izany aza dia tsy manadino an'i Madagasikara izy ireo, indrindra noho ny fahasimbana sy fahasahiranana nateraky ny Rivodoza Gamane. Tohana ara-tsakafo no natolotra teny amin'ny Biraon'ny BNGRC : vary 4 800 taonina, voamaina 1 200 taonina ary menaka 1l 400 tavoahangy. Fonosana 400 isa no tontalin'izany ka ho zarain'ny BNGRC amina tokantrano 400 any amin'ny Faritra avaratry ny Nosy.

Fananantany # Zaikabe Ampinga Tany

Ny zoma 19 aprily no nanatanterahana ny Zaikabe Ampinga Tany, izay notarihin'ny Ministera ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany, ary niarahana tamin'ny tetikasa CASEF. Sehatra iray nahafahan'ireo ankolafim-pintantanana rehetra nifanerasera sy nifanakalo hevitra mahakasika ny fitantanana ny fananan-tany izy io.
Lohahevitra 4 lehibe no novoizina nandritra ny hetsika, ka anisan'izany ny mahakasika ny « perquisition acquisitive » sy ny « expropriation ». Novelabelarin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ihany koa ny momba ny PLOF sy ny karatany, narahina tamin'ny fandraisam-pitenenan'ireo mpiara-miombon’antoka manerana ny Nosy izay voakasika ny fananan-tany.

Morarano # Misokatra indray ny Rovan'Antongona

Eo Imerintsiatosika no mivily, miditra ny tananan'i Morarano, raha hitsidika ny Rovan'Antongona. Misokatra ho an'ny besinimaro indray io toerana manan-tantara io. Tamin'ny 18 aprily, andro iraisam-pirenenena ho an'ny toerana miavaka sy zava-naorina, no niverenan'ny fisokafan'izany Rova izany indray. Rafi-bato maina no nananganana azy efa tamin'ny faramparan'ny taonjato faha fito ambin'ny folo, fa io izy mbola mijoro mandraka ankehitriny io. Amin'ny maha-toerana avo dia avo azy dia teny no fandrehetana afo mba hampandrenesana vohitra hafa sy ny manodidina ny fiavian'ny fahavalo.

Tsiroanomandidy # Miaramila maty am-perin'asa

Ny sabotsy lasa teo no nanatanterahina ny fanaovam-beloma an'i Damy Limbiazy, miaramila namoy ny ainy nandritra ny fanantanterahana iraka tao amin'ny Zanabohitr’Ampandrana, Fokontany Ambatofotsy atsinanana ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Bemahatazana, Distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava.
Nasondrotra tamin’ny laharam-boninahitra “Adjudant Chef” (à titre posthume) Itompokolahy nandritra ity fotoana nanehoana ny fiombonam-po ity. Natolotra azy ho fankasitrahana ny herim-po nananany nandritra ny fanaovana ny iraka ny medaly miaramila. Nomena ity mahery fo ity koa ny mari-boninahitra "Chevalier de l'Ordre National" sy ny fanaovam-beloma farany amin'ny fomba ara-miaramila.

Faratsiho # Fizarana kara-tany

Notontosaina ny Alatsinainy 15 Aprily lasa teo ny fizarana karatany faobe ho an'ny distrika ny Faratsiho, tao amin'ny Kaominina Valabetokana. Kaominina 9 no voakasika izany fizarana Karatany izany, anisan'izany ny kaominina Valabetokana izay miisa 10 892 no nozaraina ho an'ireo mpisitraka avy tamin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, izay iarahana amin'ny tetikasa CASEF sy Banky iraisaim-pirenena.
Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Andriamatoa Naina Andriantsitohaina.

RN5 # Làlana Vahibe # Soanierana Ivongo

Mirefy 75 kilometatra ny lalampirenena faha-5 izay mampitohy an'i Vahibe sy Soanierana Ivongo. Efa nanomboka moa ny asa ary mizotra tsara izany. Tsy ho ela dia tsy hitoka-monina firy intsony na i Vahibe na i Soanierana Ivongo satria efa maherin'ny 30% ny asa vita. Miisa 8 ny tetezana hamboarina amin'ity lalana ity, ary 6 amin'izany no efa an-dalam-pahavitana ankehitriny. Faritra 3, dia Atsinanana # Analanjirofo ary Ambatosoa, no hampiraisin'ity fotodrafitrasa goavana ity, izay tsy nisy nanajary hatramin’ny Repoblika I. Hisy ihany koa ny tetikasa manaraka hanohizana ny lalana hatrany Mananara Avaratra.

Soanierana Ivongo # Nahazo fanampiana ireo traboina

Tantsaha traboina taorian'ny fandalovan'ny rividoza Gamane miisa 5 000 no nozaraina zezika sy masomboly avy amin'ny Fitondram-panjakana entina hanarenana ireo tanimboly dibo-drano tao Soanierana Ivongo. Natao izany dia ny mba hanafainganana ny fiverenan'ny asa fambolena haingana, satria efa ritra ny rano.
Nisy ihany koa ny fanolorana jiro mandeha amin’ny herin'ny masoandro "Hazavana ho anao", ka tokantrano miisa 7 059 tao Soanierana Ivongo no nisitraka izany. Nahavelom-panantenana ny mponina tao an-toerana ihany koa ny fahitana ny fandrosoan'ny asa fanamboaran-dalana.

Fenoarivo Atsinanana # Nahazo Oniversite sy Fonja manara-penitra

Ny 19 aprily lasa teo no nanatanterahana ny fitokanana ny Oniversiten'Analanjirofo, ao Fenoarivo Atsinanana, izay mahazaka mpianatra hatramin'ny 1 500. Sady ahitana efitrano fianarana maro ny foto-drafitr'asa no misy "salle d'informatique" sy famakiam-boky. Misy ihany koa ny "dortoir" fatorian'ny mpianatra, mahazaka olona 160. Araka izany, tsy voatery miakatra an'Antananarivo intsony ireo mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea raha te hanohy fianarana ambony. Famporisihana ireo tanora hanohy fianarana ihany koa ny fametrahana ity oniversite ity, mba hahita asa fivelomana tsara sady handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena.
Nandritra ny dian'ny filoham-pirenena tao Analanjirofo dia nisy ihany koa ny fitokanana ny fonjan'i Fenoarivo Atsinanana. Manaraka ny fenitra ny fotodrafitrasa ary mahazaka voafonja miisa 900, misaraka ny lahy sy ny vavy ary ireo zaza tsy ampy taona.

Maroantsetra # Fanaparitahana horonantsary mamoafady

Voasambotra tao Mangabe ny lehilahy iray 36 taona. Ny fanaparitahana sary sy horonan-tsary mamoafadin'ny sakaizany teo aloha tamin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera "Facebook" sy "Messenger" no vesatra niampangana azy. Rehefa nandeha ny fanadihadihana tany amin'ny biraon'ny Polisim-pirenena dia nibaboka ranamana fa ny tsy fahazakana fisarahana no antony nanaovany izany. Nidoboka am-ponja vonjimaika ity lehilahy nanaparitaka sary sy horonan-tsary mamoafady ity taorian'ny nanolorana azy ny fampanoavana.

Befandriana Avaratra # Fanolanana tovovavy 16 taona

Tovolahy iray no voasambotra tao Befandriana Avaratra noho ny raharaha fanolanana. Notambazan'ity lehilahy ity boky misy laza adina efa voatsara (sujets types corrigé) ireny ity zazavavy kilasy voalohany ao amin’ny sekoly tsy miankina iray. Nangatahany mba hanao firaisana ara-nofo taminy nefa rehefa nanantona azy tany an-tranony. Notereny ny tendan'ilay tovovavy, nesoriny ny akanjony, ka nanaparany ny filàn-dratsiny avy eo. Nitantara ny nanjo azy ilay voaolana ka nanatona mpitandro filaminana avy eo. Tsy iza ilay voaolana fa naman'ilay sakaizan'ilay tovolahy ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo